Ny siansa dia taranjam-pahalalana hentitra izay manangana sy mandamina fahalalana amin' ny endrika petra-kevitra sy faminaniana azo sedraina momba an' izao tontolo izao. Ny siansa môderina dia matetika mizara ho sampana telo lehibe: ny siansan' ny zavaboary (oh: ny fizika sy ny simia ary ny biôlôjia), izay mandalina ny tontolo fizika; ny siansa sôsialy (ohatra, ny toekarena sy ny psikôlôjia ary ny sôsiôlôjia), izay mandalina ny olona sy ny ny fiarahamonina; ary ny siansa araka endrika (ohatra: ny lôjika sy matematika ary ny siansa infôrmatika teôrika), izay mandalina ny rafitra araka endrika, fehezin' ny matoan-kevitra sy ny fitsipika. Misy ny tsy fitovian-kevitra amin' ny hahafantarana raha taranja siantifika marina ny siansa araraka endrika, satria tsy miankina amin' ny porofo mivaingana. Ny siansa ampiharina dia taranja mampiasa fahalalana siantifika ho an' ny tanjona azo ampiharina, toy ny injenieria sy ny fitsaboana.

Ny môlekiolan' ny rano

Ny tantaran' ny siansa dia mahafaoka ny ankamaroan' ny tahirin-kevitra ara-tantara, miaraka amin' ny firaketana an-tsoratra voalohany fantatra nialoha ny siansa môderina izay nanomboka tamin' ny Andron' ny Alimo tany Ejipta sy Mesôpôtamia tamin' ny taona 3000 ka hatramin' ny 1200 tal JK. Ny fandraisan' izy ireo anjara amin' ny matematika, ny astrônômia ary ny fitsaboana dia nampiditra sy namolavola ny filôzôfian' ny zavaboary grika tamin' ny Andro Taloha klasika, izay nanandrana ny nanazava momba ny zava-mitranga eo amin' ny tontolo fizika mifototra amin' ny anton-javatra voajanahary, ary ny fandrosoana bebe kokoa, anisan' izany ny fampidirana ny fanisana hindo-arabo, dia natao nandritra ny Andro Volamenan' i India. Niharatsy ny fikarohana siantifika tany amin’ ireo faritra ireo taorian’ ny nianjeran’ ny Empira Rômana Tandrefana tamin’ ny Andro Antenatenany (taona 400 ka hatramin’ ny 1000 taor JK). Na izany aza, tamin' ny Renaissance tamin' ny Andro Antenatenany (Renaissance Karôlinjiana, Renaissance Ôtôniana ary ny Renaissance tamin' ny taonjato faha-12) dia niroborobo indray ny fandalinanam-pahaizana. Ny sora-tanana grika sasany very tany Eorôpa Andrefana dia voatahiry sy nisy nanohy tany Atsinanana Afovoany nandritra ny Andro Volamena Silamo, niaraka amin' ny ezaka taty aoriana nataon' ny manam-pahaizana grika bizatina izay nitondra sora-tanana grika avy amin' ny Empira Bizantina akaky ho rava nankany Eorôpa Andrefana tamin' ny fiandohan' ny Renaissance.

Ny fahitana indray sy ny fadraisana ny asasoratra grika sy ny fikarohana silamo tany Eorôpa Andrefana tamin' ny taonjato faha-10 ka hatramin' ny faha-13 dia namelona indray ny "filôzôfian' ny zavaboahary", izay novan' ny Revôlisiôna Siantifika izay nanomboka tamin' ny taonjato faha-16 raha niala tamin' ny fiheverana grika teo aloha sy nentim-paharazana ny hevitra sy ny fikarohana vaovao. Vetivety dia nitana anjara toerana lehibe kokoa tamin' ny famoronana fahalalana ny fomba fiasa siantifika ary tamin’ ny taonjato faha-19 vao nipoitra ny maro amin’ ny toetra maha raharaham-pikambanana sy matihanina ny siansa, niaraka amin’ ny fiovana avy amin' ny "filôzôfian' ny voajanahary" ho amin' ny “siansan' ny voajanahary”.

Ny fahalalana vaovao tao amin' ny siansa dia nandroso noho ny fikarohana avy amin' ny mpahay siansa izay nentanin' ny fahalianana momba an' izao tontolo izao sy ny faniriana hamaha olana. Ny fikarohana siantifika amin' izao fotoana izao dia tena iaraha-miasa ary matetika ataon' ny ekipa ao amin' ny toeram-pandalinana sy fikarohana akademika, sampan-draharaham-panjakana ary kômpania. Ny fiantraikany azo ampiharina avy amin' ny asan' izy ireo dia nahatonga ny fisandratan' ny pôlitikan' ny siansa izay mikatsaka ny hampisy fiantraikany amin' ny fisahanana asa siantifika amin' ny fanaovana ho laharam-pahamehana ny fampandrosoana ara-etika sy ara-môraly ny vokatra ara-barotra, ny fitaovam-piadiana, ny fikarakarana ara-pahasalamana, ny fotodrafitrasa ho an' ny daholobe ary ny fiarovana ny tontolo iainana.

Ny siansa dia azo alamina ho taranja siantifika lehibe maromaro, ao anisan' izany ireto: matematika, simia, biôlôjia, jeôlôjia, fizika, mekanika, siansa infôrmatika, psikôlôjia, ôptika, farmasia, fitsaboana, astrônômia, arkeôlôjia, toekarena, sôsiôlôjia, antrôpôlôjia, haiteny, jeôgrafia. Ireo taranja ireo dia miavaka amin' ny fomba fiasany sy amin' ny tanjony, fa amin' ny fikambanana sy fitaovana isahanana azy: gazety, fikambanan' ny manam-pahaizana, fiketraham-pampianarana, na ny diplômany koa aza.

Jereo koa

hanova
  • ((fr)) Alan Chalmers, Qu'est-ce que la science ? Popper, Kuhn, Lakatos, Feyerabend, Le Livre de Poche, 1990 ((ISBN 9782253055068))
 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.