Aller au contenu

Zakaria mpaminany

Avy amin'i Wikipedia
Ny mpaminany Zakaria, sary nataon' i Michelangelo, taona 1508-1512.

I Zakaria dia mpaminany fahiraika ambin' ny folo amin' ny mpaminany madinika 12 ao amin' ny Baiboly. Atao hoe זְכַרְיָה / Zekharyah izy amin' ny teny hebreo, izay midika hoe "Nahatsiaro i Iah" ("Nahatsiaro i Iahveh").

Atao hoe זְכַרְיָה / Zəḵaryāh, izay midika hoe "Tsarovy i Yah" ("tsarovy i Iahveh"), ny anaran' i Zakaria amin' ny teny hebreo, ka ny Yah dia fanafohezana ny hoe Yahweh.

Ny fanamboarana ny Tempoly faharoa no tena nanahirana an’ i Zakaria sady nitoriany ny amin’ ny famerenana indray ny voninahitry ny firenena sy ny fanajana amin’ ny antsipiriany ny lalàm-pitondran-tena sy ny fahadiovan’ ny fombafombam-pivavahana. Ny ivon’ ny toriteny sy fahitan’ i Zakaria dia ny andro fiandrandrana ny fahatongavan' ny Mesia.

Ny Filazantsara araka an' i Matio (Mat. 23:35), i Jesoa dia nireska fa i Zakaria zanak' i Barakia dia novonoina teo anelanelan' ny alitara sy ny Tempoly:

"mba hanody anareo ny rà marina rehetra, izay nalatsaka tambonin' ny tany, hatramin' ny ran' i Abela marina ka hatramin' ny ran' i Zakaria, zanak' i Barakia, izay novonoinareo teo anelanelan' ny tempoly sy ny alitara".

I Zakaria no heverina araka ny lovantsofina fa nanoratra ilay boky mitondra ny anarany, dia ny Bokin' i Zakaria.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]