Aller au contenu

Tsady

Avy amin'i Wikipedia
Tsy tohanana intsony ny kinova azo atao pirinty ary mety misy lesoka amin'ny famoronana. Azafady mba havaozy ny famantarana ny mpitety tranonkala ary ampiasao ny asan'ny fanontana tsipalotra.
Sainan' i Tsady
Toerana misy an' i Tsady ao afovoan' izao tontolo izao
Mari-piandrianan' i Tsady
Sarin-tanin' i Tsady

I Tsady dia firenena ao Afrika Afovoany, ao amin' ny lemaka lehiben' ny farihy Tsady izao ao andrefany, izay tsy manana morontsiraka, manana velarana mirefy 1 284 000 km². I Ndjamena no renivohiny. Mamaritra azy ao avaratra i Libia, ao atsinanana i Sodàna, ao atsimo ny Repoblikan' i Afrika Afovoany ary ao andrefana i Kamerona sy i Nizeria ary i Nizera. Firenena anelanelan' i Afrika Avaratra sy Afrika atsimon' i Sahara i Tsady. Atao hoe Tsadiana ny vahoakan' ity firenena ity.

Ny tapany avaratra dia ahitana ny tangorom-bohitr i Tibesti ao amin' ny tany efitr' i Sahara. Ao atsinanana no misy ny lembalemban' i Ennedi sy ny lembalemban' i Ouadai. Maina any avaratra ary misy fiantraikany ihany koa ny faritr’ i Sahel ao afovoany ka mahasarotra ny fahazoana rano.

Ny mponin' i Tsady dia ahitana Peola, Tobo, Sara, Kirdy ary Arabo. Ny 50 %n’ ny mponina dia Miozolmana, ny 10 % Kristiana, fa ny 45 % kosa dia manaraka ny fivavahan-drazana afrikana animista.

Miompana amin' ny fiompiana sy ny fambolena ny toekaren' i Tsady, izay mandroso ihany noho ny fangadiana vovon-drano sy ny fampiasana firihan-drano amin' ny tanimboly. Manjono ihany koa ny Tsadiana. Tamin’ ny taona 2003 no nanombohana nitrandraka ny solitany ao amin’ ny faritr' i Doba ao atsimo.

Zanatany frantsay taloha i Tsady izay nahazo ny fahaleovan-tenany tamin’ ny taona 1960. Ny fiteny frantsay sy ny fiteny arabo no fiteny ôfisialy any.

Jereo koa

Firenena ao Afrika:

Afrika Atsimo - Alzeria - Angôla - Benino - Borkina Fasô - Borondy - Bôtsoana - Ejipta - Eritrea - Esoatiny (Soazilandy taloha) - Etiôpia - Gabôna - Gambia - Ganà - Ginea - Ginea Bisao - Ginea Ekoatôrialy - Jibotỳ - Kamerona - Kapvera - Kenia - Kômôro - Kôtidivoara - Lezôtô - Liberia - Libia - Madagasikara - Malaoy - Malỳ - Maorisy - Maoritania - Marôka - Môzambika - Namibia - Nizera - Nizeria - Oganda - Repoblika Arabo Saharaoy Demôkratika - Repoblika Demôkratikan' i Kôngô - Repoblikan' i Afrika Afovoany - Repoblikan' i Kôngô - Roanda - Saô Tôme e Prinsipe - Seisely - Senegaly - Siera Leôna - Sodàna - Sodàna Atsimo - Sômalia - Sômalilandy - Tanzania - Tôgô - Tonizia - Tsady - Zambia - Zimbaboe

Kôntinenta eto an-tany