Sindo
I Sindo na Indosy na Indo (izay fantatra amin' ny anarana hoe Sindh na Sindhu tamin' ny Andro Taloha, dia ony any Pakistàna nanome ny anarany an' i India. Any amin' ny tendrombohitra Himalaya ny loharanony ary mizotra makany atsimo-andrefana izy. Anisan' ny renirano inoana ho masina any India i Sindo, miaraka amin' ny Ganga. Ao amin' ny Ranomasin' i Ômàna izy no mivarina.
Jeôgrafia
hanovaAny Tibeta, ao amin' ny tangorombohitra Kailās na Gangri, no misy ny loharanon' i Indosy. Manomboka mitondra ny anarany i Sindo eo amin' ny sakeli-dranon' ny renirano Sengge sy ny renirano Gar midina amin' i Himalaya. Mandalo any avaratra-andrefana i Indosy, ary miampita an' i Kashmira any atsimon' ny tangorombohitr' i Karakoram, ary midina any atsimo izy, miala amin' ny vohitra Peshawar sy Rawalpindi. Eo amin' io faitra io dia misy tohodrano mampisy ny tahirin-dranon' i Tarbela. Azon' ny sambo andehanana ilay renirano eo amin' ny vinanin' ny renirano Kaboul.
Manaraka ny tany lemak' i Penjab sy ny an' i Sind i Indosy, ary mikoriana moramora kokoa izy. Miampita ny tanànan' i Hyderābād ary mivarina ao amin' ny Ranomasin' i Ômàna, mamorona vavarano manana velarana 7 700 km2 eo am-pivarinana, any atsimo andrefan' i Karāchi no misy ilay vavarano. Ankehitriny dia anisan' ny faritra ekôlôjika manan-danja indrindra eto an-tany i Sindo.