Aller au contenu

Zom-pirenena frantsay

Avy amin'i Wikipedia
Karapanondrom-pirenena frantsay

Ny zom-pirenena frantsay dia sata faritan' ny lalàna frantsay izay ananan' ny olona na fikambanana na orinasa izay ny zo siviliny[1] dia fehezin' ny Code civil ("Fehezandalàna Sivily") sy ny Lalàmpanorenan' ny Repoblika Frantsay, indrindra ny savaranonandon' io lalàmpanorenana io (Fanambaràna ny Zon' ny Olom-pirenena tamin' ny taona 1789) ho an' ny zo sivika na pôlitika[2]. Misy ny fitsipika sy fomba na fanao maromaro momba ny kolontsaina, izay tsy voaresaka amin' ny fomba mazava tsara ao amin' ny lalàna manan-kery, toy ny fitenenana ny teny frantsay izay vao nampidirina tamin' ny taona 1992 ao amin' ny andininy faha-2 amin' ny Lalàmpanorenana frantsain' ny 4 Ôktôbra 1958.

Ny zom-pirenena frantsay dia tsy ho an' ny olona ihany, fa ho an' ny fikambanana sy ny orinasa izay eo ambany fahefan' ny fitsarana frantsay sy fehezin' ny lalàna frantsay noho ny sata mifehy azy ireo, noho ny zom-pirenen' ny firaketan-draharaha isoratany sy noho ny toerana iorenany. Voakasik' izany koa ny fitaovam-pitaterana sasany (sambo, fiaramanidina, sns.) noho ny fisoratan' ny anarany sy ny laharany. Ny zom-pirenena frantsay dia mametraka ny olona sy ny fikambanana ary ny orinasa eo ambanin' ny zo sy ny fanao ary ny adidy mifamatotra amin' izany.

Tsy misy ny zom-pirenena eorôpeana, fa ny zom-pirenena frantsay dia mahatonga ny mpisitraka izany ho olom-pirenen' ny Vondrona Eorôpeana, antsoina hoe olom-pirenena eorôpeana, izay manome azy ireo ny zo ho mpifidy sy ho azo fidina any amin' ny firenena rehetra ao amin' ny Vondrona Eorôpeana, ao amin' ny Antenimiera Eorôpeana ary ho kandidà amin' ny toeran' ny mpiasa na mpitsara ao amin' ny Vondrona Eorôpeana.

Ankapobeny momba ny zom-pirenena frantsay

[hanova | hanova ny fango]
Pasipaoro frantsay

Any Frantsa, ny fitsipika mamaritra ny zom-pirenena frantsay, izay voarakitra ao amin' ny Code Civil teo anelanelan' ny taona 1804 sy 1944, avy eo ao amin' ny Code de Nationalité nanomboka tamin' ny taona 1945, dia naverina nampidirina tamin' ny taona 1993 ao amin' ny Code Civil, izay mitambatra ao amin' ny Lohateny I bis ao amin' ny Boky I (and. 17-33-2). Na izany aza, ireo fitsipika ireo dia mihatra raha tsy misy ny fifanarahana iraisam-pirenena manokana (and. 17)[3].

Tokony hisy ny fanavahana ny fanolorana ny zom-pirenena frantsay (attribution de lanationalité), vokatry ny maha manam-piaviana frantsay, sy ny fahazoana izany (acquisition de la nationalité).

Frantsay amin' ny alalan' ny fiaviany, amin' ny lafiny iray, ny zaza nateraky ny ray na reny frantsay fara-fahavitsiny ("zo avy amin' ny ra" na "zon' ny ra", and. 18), ary, etsy ankilany, ireo zaza teraka tany Frantsa avy amin' ny ray na reny teraka tany Frantsa na tany Aljeria talohan' ny 3 Jolay 1962 ("zo roa sosona avy amin' ny tany", and. 19-3).

Amin' ny fampiharana ny Lalàna nivoaka tamin' ny 16 Marsa 1998 dia fomba telo no ahazoana zom-pirenena frantsay (acquisition) izay tsy nananana faha kely:

  • ny fahazoana ny zom-pirenena frantsay mandeha ho azy tsy misy fombafomba;
  • ny fahazoana ny zom-pirenena frantsay amin' ny alalan' ny fanambaràn' ny olona vokasika;
  • fahazoana ny zom-pirenena frantsay amin' ny alalan' ny fanapahan-kevitra tsy misy fanamarinana, avoakan' ny fahefam-panjakana amin' ny alalan' ny didim-panjakana.

Ankoatry ny fomba arahina hahazoana ny ny zom-pirenena frantsay dia misy fomba mitovitovy amin' izany amin' ny famerenana ny zom-pirenena frantsay ho an' ireo izay manamafy fa nanana io zom-pirenena io taloha (ohatra, ny Aljeriana teraka tany Aljeria mbola zanatany frantsay, talohan' ny 3 Jolay 1962).

Zom-pirenena fratsay atolotra (attribution)

[hanova | hanova ny fango]

Raha frantsay ny ray na ny reny

[hanova | hanova ny fango]

Frantsay noho ny fianahana (filiation) ny zaza nateraky ny ray na reny frantsay (na izy roa miaraka)[4]. Zo avy amin' ny ra izany (droit du sang, na jus sanguinis). Ny zanaky ny ray frantsay sy ny reny frantsay dia efa frantsay, hatramin' ny taona 1804, na dia teraka tany ivelany aza izy[5]. Ny zanaky ny reny frantsay sy ny ray vahiny dia efa frantsay, nanomboka tamin' ny taona 1927 raha teraka tany Frantsa izany zaza izany ary nanomboka tamin' ny taona 1945 raha teraka tany ivelan' i Frantsa[5].

Raha vahiny na tsy fantatra na tsy manana zom-pirenena ny ray sy ny reny

[hanova | hanova ny fango]

Frantsay ny zaza teraka tany Frantsa:

  • raha tsy fantatra na ny rainy na ny reniny[6];
  • raha tsy manana zom-pirenena ny rainy sy ny reniny[7];
  • raha vahiny ny rainy sy ny reniny sady tsy avelan' ny lalàna vahiny hahazo ny zom-pirenen' ny rainy na ny reniny ilay zaza[8];
  • raha teraka tao Frantsa ny rainy na ny reniny[9].

Fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]

Ny fepetra farany etsy ambony, izay fantatra amin' ny anarana hoe "zo roa sosona avy amin' ny tany" (double droit du sol) dia napetraka tamin' ny taona 1851. Na izany aza, ny lalàna dia mamela ny olona misitraka io zo roa sosona avy amin' ny tany io hisafidy hanary ny zom-pirenena frantsay amin' ny alalan' ny fanaovana fanambaràna hatramin' ny faha-17 taona sy enim-bolana ka hatramin' ny faha-19 taona raha toa ka afaka manamarina ny zom-pirenena ananany avy amin' ny rainy na ny reniny amin' ny alalan' ny fanaovana fanambaràna. Io fahafahana io dia nofoanan' ny Lalàna tamin' ny 26 Jona 1889 izay namaritra ny antsoin' i Patrick Weil hoe "ny fampiasana repoblikana ny zo avy amin' ny tany" (usage républicain du droit du sol)[10] [11](and. 19-3 amin' ny Code civil frantsay ankehitriny)[12].

Ny andininy faha-19.3 ao amin' ny Code civil frantsay izay mametraka an' io "zo roa sosona avy amin' ny tany" io dia mamela ny ankamaroan' ny "Frantsay amin' ny alalan' ny ra" hitondra mora foana ny porofo momba ny zom-pireneny izay, raha tsy nisy izany, dia nila "porofon-devoly" izay mitaky ny fiverenana manaraka ny rojom-pianahana tsy manam-pahataperana[13].

Io foto-pitsipika io, izay manambatra ny zo avy amin' ny ra sy ny zo roa sosona avy amin' ny tany, dia tsy novana hatramin' ny taona 1889.

Mandra-pahatongan' ny taona 1993, ny zaza teraka tany Frantsa avy amin' ny ray na reny teraka tany amin' ny zanatany frantsay dia Frantsay. Izany dia mahakasika ny zanaky ny olona teraka tany Aljeria fony mbola departemanta frantsay, talohan' ny fahaleovantenany (5 Jolay 1962). Tsy toy ny zo roa sosona avy amin' ny tany ny zo tokana avy amin' ny tany (droit du sol) izay tsy ahafahana mahazo hoazy ny zom-pirenena frantsay afa-tsy raha ny fahateraka tao amin' ny tanim-pirenena frantsay ihany no singa azo raisina mba hamaritana ny zom-pirenen' ny zaza (izany no mahatonga ny andininy faha-19 ao amin' ny Code Civil hanolotra ny zom-pirenena frantsay ho an' ny zaza teraka any Frantsa avy amin' ny ray aman-dreny tsy fantatra).

Fahazoana ny zom-pirenena frantsay (acquisition)

[hanova | hanova ny fango]

Fahazoana ny zom-pirenena frantsay mandeha hoazy

[hanova | hanova ny fango]

Ny olona teraka any Frantsa avy amin' ny ray aman-dreny vahiny dia mahazo zom-pirenena frantsay feno rehefa tonga amin' ny fahalehibeazany araka ny lalàna izy (feno 18 taona), raha toa ka mipetraka any Frantsa izy tamin' ny naha feno 18 taona azy ary nipetraka matetika any nanomboka tamin' ny faha-11 taonany (mandritra ny 5 taona farafahakeliny). Io fomba fanao amin' ny fahazoana zom-pirenena frantsay io dia nanan-kery nanomboka tamin' ny taona 1889[11] (zo tsotra avy amin' ny tany, simple droit du sol), ny hany maningana dia tamin' ny taona 1993-1998 (Lalàna Pasqua sy Lalàna Guigou[14]). Na izany aza, ny lalàna dia mamela ilay nisitraka ny zo avy amin' ny tany hisafidy ny hanary ny zom-pirenena frantsay eo anelanelan' ny faha-17 taona sy tapany sy faha-19 taona[15].

Fahazoana zom-pirenena amin' ny alalan' ny fanambaràna

[hanova | hanova ny fango]

Ny olona sasany dia afaka mahazo zom-pirenena frantsay amin' ny alalan' ny fanaovana fanambaràna izay atao, araka ny zava-misy, na eny amin' ny fitsarana ambaratonga voalohany tsotra (Tribunal de grande instance), na ao amin' ny kônsolata, na eo amin' ny sehatra mikarakara fahazoana zom-pirenena frantsay izay iankinan' ny toeram-ponenany. Izany dia mahakasika indrindra ny olona teraka tany Frantsa avy amin' ny ray aman-dreny vahiny na ny vahiny manambady Frantsay. Ny zom-pirenena frantsay dia omena amin' ny alalan' ny fangatahana raha feno ny fepetra voalazan' ny lalàna.

Ny fanambaràna ny zom-pirenena dia mihatra indrindra:

  • amin' ny zaza natsangana (and. 21-12 sy ny manaraka amin' ny Code Civil);
  • amin' ny zaza vahiny tsy ampy taona sahanin' ny "fanampiana ara-tsôsialy ho an' ny ankizy" (aide sociale à l'enfance), izay tsy maintsy manao izany fanambaràna zom-pirenena izany alohan' ny haha feno taona azy (18 taona, andininy 21-12 sy ny manaraka);
  • amin' ny zaza tsy ampy taona teraka tany Frantsa avy amin' ny ray aman-dreny vahiny, manomboka amin' ny faha-13 na faha-16 taonany, raha toa ka manana ny fonenany any Frantsa izy ireo amin' ny fotoana nanaovany fanambaràna, ary raha efa nipetraka tany Frantsa amin' ny fomba mitohy na tapatapaka nandritra ny dimy taona farafahakeliny, nanomboka amin' ny faha-11 taonany (valo taona raha atao eo anelanelan' ny faha-13 sy faha-16 taonany ny fanambaràna) (andininy 21-11 amin' ny Code civil[16]);
  • amin' ny olona manambady Frantsay (andininy 21-2 ao amin' ny Code Civil), raha toa ka tsy nitsahatra ny firaisa-monin' ny mpivady ary manana fahalalana ampy momba ny teny frantsay ilay vady vahiny. Ny fe-potoana kely indrindra amin' ny fanambadiana alohan' ny hahafahana manao fanambaràna ny maha Frantsay azy dia efa-taona raha ny tokony ho izy, saingy mitombo ho dimy taona io fe-potoana io raha toa ka tsy nonina tany Frantsa ilay vady vahiny nandritra ny telo taona fara-fahakeliny nanomboka tamin' ny fisoratam-panambadiany[17];
  • amin' ireo izay nahazo zom-pirenena frantsay tamin' ny alalan' ny fanehoana toetra mifandraika amin' izany nandritra ny folo taona mahery sy amin' ireo very zom-pirenena frantsay noho ny andininy faha-23-6 sy faha-30-3 amin' ny Code Civil frantsay (and. 21-12 sy ny manaraka);
  • amin' ny zaza tsy ampy taona natarak' olona nahazo ny zom-pirenena frantsay (araka ny andininy faha-22-1 amin' ny Code civil).

Momba ny zaza natsangana, ny Fitsarana mpanafoana didy (Cour de cassation) dia mihevitra fa ny fanaovana fanambaràna ny zom-pirenena dia mitaky ny "fanamarinana ny maha ara-dalàna" mialoha (ataon' ny kônsolata frantsay any ivelany) ny antontan-taratasy momba ny fiankohonana natao tany ivelany, araka ny Didy hitsivola-mpanjakan' ny tafika an-dranomasina (ordonnance royale de la marine) tamin' ny Aogositra 1681 mitaky ny fanamarinana ny maha ara-dalàna ny taratasy fiankohonana navoakan' ny manampahefana vahiny, na dia teo aza ny fanafoanana ity farany araka ny and. 7 amin' ny Didy hitsivolana laharana 2006-460[18]. Neken' ny Fitsarana mpanafoana didy (Cour de cassation) koa ny taratasy momba ny fiankohonana voamarin' ny kôsolata vahiny ao Frantsa fa ara-dalàna (ohatra amin' ity tranga ity ny Kônsolata sinoa)[19].

Fahazoana zom-pirenena amin' ny alalan' ny didim-panjakana

[hanova | hanova ny fango]
Taratasy fananganana ho olom-pirenena

Azo amin' ny alalan' ny "didim-panjakana fananganana ho olom-pirenena" (décret de naturalisation) koa ny zom-pirenena frantsay. Ity fomba ity dia natokana ho an' ny olon-dehibe vahiny izay efa zatra nipetraka teo amin' ny tanim-pirenena frantsay nandritra ny dimy taona farafahakeliny, izany fe-potoana izany dia mety hihena amin' ny toe-javatra sasany (fianarana any amin' ny toeram-pianarana frantsay, asa lehibe notanterahina ho an' i Frantsa). Hatramin' ny Lalàna tamin' ny 26 Nôvambra 2003 momba ny fanaraha-maso ny fifindrà-monina, ny fijanonan' ny vahiny any Frantsa ary ny zom-pirenena (Loi du 26 novembre 2003 relative à la maîtrise de l'immigration, au séjour des étrangers en France et à la nationalité), ny firaisana amin' ny fiarahamonina frantsay (assimilation) ananan' ny kandidà ho amin' ny fananganana ho olom-pirenena frantsay dia dinihin' ny manam-pahefana frantsay mandritra ny tafatafa ifanaovana aminy manokana. Ny Didim-panjakana laharana 2011-1265 tamin' ny 11 Ôktôbra 2011[20] dia nanolo ny dinidinika manokana momba ny fahalalana ny teny frantsay amin' ny fampisehoana ny "Diplôma momba ny fianarana amin' ny teny frantsay" (Diplôme d'études en langue française – DELF) amin' ny ambaratonga B1. Ny olona mangataka na angatahina hatsangana ho olom-pirenena frantsay mihoatra ny 65 taona dia tsy itakiana hampiseho ity diplôma ity. Nanomboka tamin' ny taona 2011, ny andininy faha-21-24 ao amin' ny Code civil dia milaza fa tsy misy olona azo atsangana ho olom-pirenena frantsay raha tsy manamarina ny firaisany amin' ny fiarahamonina frantsay, indrindra amin' ny alalan' ny fahalalany ampy, araka ny toe-javatra momba azy, ny fiteny frantsay, ny tantaran' i Frantsa, ny kolontsaina frantsay ary ny fiarahamonina frantsay, ka ny ambaratonga sy ny fomba fanombanana izany rehetra izany dia apetraka amin' ny alalan' ny didim-panjakana ao amin' ny Filankevi-Panjakana (Conseil d'Etat), ary amin' ny fahalalany ampy momba ny zo sy ny adidy adidy omen' ny zom-pirenena frantsay ary koa amin' ny alalan' ny fiombonam-po amin' ny foto-kevitra sy ny soatoavina fototra ao amin' ny Repoblika.

Rehefa tapitra ny fizahana ny firaisana amin' ny fiarahamonina frantsay (assimilation) dia soniavin' ilay olona voakasika ny "Dina mifehy ny zo sy adidin' ny olom-pirenena frantsay" (Charte des droits et devoirs du citoyen français). Ity dina ity, izay nankatoavina tamin' ny alalan' ny didim-panjakana tao amin' ny Filankevi-Panjakana, dia mampahatsiahy ireo foto-kevitra sy soatoavina ary marika fototra ao amin' ny Repoblika Frantsay[21][22][23].

Aorian' ny fanontaniana maro apetraka mandritra ny dinidinika momba ny fananganana ho olom-pirenena frantsay, ny mpiasam-panjakana misahana izany dia mandefa ny antontan-taratasy any amin' ny prefe izay hanome ny heviny mankasitraka (avis favorable) momba ny handefasana ny antontan-taratasy any amin' ny Minisiteran' ny Atitany (Misistre de l'Intérieur) mba hanatanterahana ny fananganana ho olom-pirenena frantsay amin' ny alalan' ny didim-panjakana, na ny heviny tsy mankasitraka (avis défavorable), ka amin' ity tranga farany ity dia misy taratasy fanemorana alefa amin' ilay olona voakasika[24][25].

Ho an' ny olona tsy manana diplôma frantsay ambony amin' ny ambaratonga IV, na tsy manana ny "Diplôma momba ny fianarana amin' ny teny frantsay" (Diplôme d'études en langue française – DELF), dia misy ny fitsapana tsotsotra momba ny fahalalana ny teny frantsay natokana ho an' ny fangatahana fananganana ho olom-pirenena frantsay ary manan-kery mandritra ny roa taona izany: io no atao hoe "fitsapana momba ny fahalalana ny teny frantsay ho an' ny fahazoana zom-pirenena frantsay" (Test de connaissance du français pour l'accès à la nationalité française -- TCF ANF)[26].

Ny antony lehibe indrindra amin' ny fandavana sy ny fanemorana ny fananganana ho olom-pirenena amin' ny alalan' ny didim-panjakana dia ny tsy fisian' ny fidiran' ilay mpangataka amin' ny asa matihanina[27].

Ho an' ny fananganana ho olom-pirenena, nanomboka tamin' ny 1 Janoary 2016, ny didim-panjakana momba ny fananganana ho olom-pirenena dia avoaka ao amin' ny gazetim-panjakana elektrônika voamarina (Journal officiel authentifié) ao amin' ny tranokala Légifrance[28][29].

Fahaverezan' ny zom-pirenena frantsay

[hanova | hanova ny fango]

Voafaritry ny andininy faha-23 sy ny manaraka ao amin' ny Code civil frantsay ny tranga sy ny fomba hamoizana ny zom-pirenena frantsay. Izay Frantsay manana zom-pirenena hafa dia afaka mangataka ny hanary izany zom-pirenena frantsay izany (and. 23-3, 23-4 ary 23-5). Ity fangatahana ity dia tsy maintsy voamarina amin' ny alalan' ny didim-pitsarana na didim-panjakana, arakaraka ny toe-javatra misy.

Ny fahaverezan' ny zom-pirenena frantsay dia azon' ny fitsarana hamarinina rehefa tsy nanana ny fonenany mahazatra tany Frantsa ny Frantsay iray (na ireo nitaranaka azy), na raha tsy nampiseho ny fananany ny zom-pireneny, nandritra ny dimampolo taona izy (and. 23-6). Fanampin' izany, ny olona iray izay nipetraka tany ivelan' ny tanim-pirenena frantsay nandritra ny dimampolo taona mahery dia tsy azo ekena hanaporofo ny fananany zom-pirenena frantsay amin' ny alalan' ny fianahana raha toa ka tsy afaka manamarina fa nitondra tena toy ny Frantsay izy na ny ray aman-dreniny (and. 30-3).

Ny Frantsay izay mitondra tena toy ny teratany vahiny (and. 23-7), izany hoe mampiseho tsy fisiana fanoavana an' i Frantsa, na tsy nandao ny asany tamin' ny firenena vahiny na dia teo aza ny fangatahana avy amin' ny governemanta frantsay (and. 23-8), dia mety hesorina aminy amin' ny alalan' ny didim-panjakana ao amin' ny Filankevi-Panjakana (Conseil d’Etat) ny zom-pireneny.

Nanao sonia ny fifanarahana iraisam-pirenena mametra ny trangan-tsy fananana zom-pirenena i Frantsa, fifanarahana izay mandrara ankitsirano ny fanalana ny zom-pirenena amin' ny olona izay tsy manana afa-tsy iray, nefa tsy nanamafy ny fankatoavana izany i Frantsa. Toy izany koa, ny Fifanarahana eorôpeana tamin' ny taona 1997 momba ny zom-pirenena, izay milaza fa manana zo hahazo zom-pirenena ny tsirairay, dia nosoniavin' i Frantsa nefa tsy nohamafisiny ny fankatoavana an' azy. Fanampin' izany, ny andininy faha-15 amin' ny Fanambaràna Iraisam-Pirenena momba ny Zon' Olombelona dia milaza fa manan-jo hanana zom-pirenena ny olona tsirairay; nefa manana fiantraika ara-dalàna malemy ity rijanteny ity, araka ny hevitry ny Filankevi-Panjakana dia tsy ananany ny lanja maha fitsipika.

Noho izany, ho an' ilay mpahay lalàmpanorenana atao hoe Didier Maus dia tsy misy ny rijanteny iraisam-pirenena manery araka ny lalàna an' i Frantsa handrara ny tsy fananana zom-pirenena. Ho an' ny mpahay lalàmpanorenana iray hafa, Dominique Rousseau dia manery an' i Frantsa hanaja ny hevitra sy ny tanjon' ilay rijanteny ny favaovan-tsonia fotsiny ny fifanarahana tamin' ny taona 1961.

Fanesorana ny zom-pirenena frantsay

[hanova | hanova ny fango]

Ny andininy faha-25 ao amin' ny Code civil frantsay dia mamaritra fa ny fanesorana ny zom-pirenena frantsay izay azo ampiharina amin' ny olona nahazo ny maha Frantsay (izany hoe tsy notolorana ny zom-pirenena frantsay) voaheloka noho

  • ny heloka bevava na fandikan-dalàna manohintohina ny tombontsoa ambon' ny firenena;
  • ny asa fampihorohoroana;
  • ny heloka bevava na fandikan-dalàna voalaza ao amin' ny toko faha-2 amin' ny Lohateny faha-III amin' ny Boky IV ao amin' ny Fehezan-dalàna famaizana (Code pénal) (fitsikilovana, fikomiana, famadihan-tanindrazana ataona miaramila, sns.);
  • ny fandavana ny adidy ateraky ny fehezan-dalàna momba ny asa fanompoam-pirenena;
  • ny fatoloran-tena hanao asa ho an' ny  tombontsoan' ny firenena vahiny izay tsy mifanaraka amin' ny maha Frantsay ary manimba ny tombontsoan' i Frantsa.

Nambaran' ny Filankevitra momba ny Lalàmpanorenana (Conseil constitutionnel) fa araka ny lalàmpanorenana io andininy io, ao amin' ny fanamarinana laharam-pahamehana momba ny fanaraha ny lalàmpanorenana (question prioritaire de constitutionnalité) tamin' ny Janoary 2015. Ny zavatra iampangana dia tsy maintsy nitranga fara-fahatarany folo taona aorian' ny fananganana ho olom-pirenena, na dimy ambin' ny folo taona raha fampihorohoroana (and. 25-1).

Ny andininy faha-23-7 ao amin' ny Code civil frantsay dia milaza fa ny Frantsay izay mitondra tena toy ny olom-pirenena vahiny, raha ananany ny zom-pirenren' ity firenena ity, dia azo ambara, amin' ny alalan' ny didim-pitondrana aorian' ny faneken' ny Filankevi-Panjakana (Conseil d'Etat) fa nahavery ny maha Frantsay azy izy. Ity fepetra ity dia avy amin' ny didim-panjakana sady lalàna (décret-loi) tamin' ny 12 Nôvambra 1938 nataon' i Édouard Daladier ary naverina tao amin' ny Didy hitsivolan' ny 19 Ôktôbra 1945 navoakan' i Charles de Gaulle. Noheverin' ny Filankevi-Panjakana fa mifanaraka amin' ilay fanapahana "Mpivady Speter" ("Epoux Speter") navoaka tamin' ny 7 Martsa 1958, avy eo tamin' ny 20 Martsa 1964 ("Andriamatoa sy Ramatoa Cornakowski" ("Sieur et dame Cornakowski")). Ny fanapahana "tsy fankatoavana an' i Frantsa noho ny fanajana orinasa vahiny iray" dia nampiasaina in-523 teo anelanelan' ny taona 1949 sy 1967 tamin' ireo manana zom-pirenena roa, nandritra ny Ady Mangatsiaka. Ny fepetra ao amin' ny andininy faha-23 dia mihatra amin' ny Frantsay notolorana zom-pirenena frantsay (attribution) sy ireo natsangana ho olom-pirenena frantsay (naturalisation).

Tamin' ny 16 Nôvambra 2015, i François Hollande, filohan' ny Repoblika, dia nanambara tamin' ny fivorian' ny Antenimiera roa tonta miaraka (Parlement réuni en Congrès) fa tiany haitatra ny fampiharana ny fanafoanana ny zom-pirenena ho an' ireo manana zom-pirenena roa teraka tany Frantsa, ankoatr' ireo olona natsangana ho olom-pirenena frantsay. Mba hahatanteraka izany dia tokony hisy andininy 3-1 vaovao hampidirina ao amin' ny Lalàmpanorenan' ny 4 Ôktobra 1958 saingy nanohitra ny governemanta ny solombanambahoaka sôsialista. Araka ny fitsapan-kevitra isan-karazany natao tamin' ny taona 2015, ny ankamaroan' ny Frantsay dia nanambara fa manohana ny fanesorana ny zom-pirenen' ny mpampihorohoro manana zom-pirenena roa. Tamin' ny 30 Marsa 2016 dia nanambara ny fandaozana ilay volavolan-dalàna momba ny fanafoanana zom-pirenena i Francois Hollande taorian' ny adihevitra tamin' ny filohan' ny Antenimieram-pirenena, Claude Bartolone (ao amin' ny antoko Parti socialiste -- PS), sy ny filohan' ny Antenimieran-doholona, ​​Gérard Larcher (ao amin' ny antoko Les Républicains -- LR), taorian' ny nametrahan' ny Antenimieran-doholona ny volavolan-dalàna nasiam-panitsiana. Nandritra izany fotoana izany, tamin' ny 23 Desambra, dia namorona ny hashtag hoe #JeSuisBinational ("#MananaZom-PirenenaRoaAho") ilay mpanao gazety frantsay-marôkana Ali Baddou tao amin' ny tweet iray ("Nihevitra foana aho fa harena ny fananana zom-pirenena roa. Androany dia hitako fa olana izany") ary dia noraisin' ny manana zom-pirenena roa hafa izany.

Fitahirizana ny zom-pirenena

[hanova | hanova ny fango]

Nitahiry ny zom-pirenena frantsay:

  • ny Frantsay avy amin' ny tanin' ny Repoblika Frantsay, araka ny namaritana izany tamin' ny 28 Jolay 1960, ary nanana ny fonenany tamin' ny andro nahazoany ny fahaleovantena, teo amin' ny tanin' ny firenena izay nanana ny satan' ny tanim-pirenena ampitan-dranomasina teo aloha (Territoire d'outre-mer) an' ny Repoblika Frantsay;
  • araka ny andininy voalohany amin' ny didim-panjakàn' ny 21 Jolay 1962, voarakitra ao amin' ny andininy faha-32-1 amin' ny Code Civil, ny Frantsay manana sata sivily tsotra nonina any Aljeria tamin' ny 3 Jolay 1962, daty nanambaràna ny valin' ny latsaha-bato momba ny fahaleovantena, na inona na inona toe-javatra nisy azy ireo mikasika ny zom-pirenena aljeriana.

Fanovozan-kevitra

[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. Ny zo sivily na ny lalàna sivily dia mahakasika ny fiainana andavanadron' ny olona: ny fahaterahana, ny asa, ny fiainam-pianakaviana, ny fananana, sns.
  2. Ny zo sivika sy pôlitika dia ny fahafahana: mifidy, milatsaka ho  fidina, manao ny asan' ny mpitsara, mijoro vavolombelona eo anetrehan' ny fitsarana, mitondra fitaovam-piadiana, mirotsaka ao amin' ny tafika, misahana raharaha fampianarana, sns
  3. Légifrance, « Article 17 du Code civil » [arsiva], ao amin' ny legifrance.gouv.fr
  4. Code civil andininy faha-18 (arsiva).
  5. 5,0 et 5,1 Jean Massot, « Français par le sang, Français par la loi, Français par le choix », Revue européenne des migrations internationales, vol. 1, no 2 : « Générations nouvelles »,‎ décembre 1985, p. 9-19 (DOI 10.3406/remi.1985.977, [arsiva], , p. 11.
  6. Code civil, andininy faha 19, adalana voalohany [arsiva]
  7. Code civil andininy faha-19-1, 1° (arsiva)
  8. Code civil andininy faha-19-1, 2° (arsiva)
  9. Code civil, andininy faha-19-1, 3° (arsiva)
  10. Patrick Weil, Qu'est-ce qu'un Français ? : histoire de la nationalité française depuis la Révolution, Paris, Grasset, avril 2002, 1 vol., 401, (arsiva)
  11. 11,0 et 11,1 « Loi sur la nationalité », Bulletin des lois de la République française, no 1247,‎ 26 juin 1889  (arsiva)
  12. « Article 19-3 du Code civil » [arsiva]
  13. Être français aujourd'hui et demain - Tomes 1 et 2 : rapport remis au Premier ministre par la Commission de la nationalité présidée par M. Marceau Long, La Documentation française, 1998, p. 32
  14. Cour d'appel d'Agen, Comment obtenir la nationalité française ? Archived Novambra 23, 2006 at the Wayback Machine [arsiva]
  15. "Nationalité française d'un enfant né en France de parents étrangers", service-public.fr [arsiva]
  16. Article 21-2 du Code civil [arsiva]. Jereo koa ny Décret no 93-1362 du 30/12/1993 [arsiva]
  17. « Nationalité française par mariage Archived Jiona 30, 2023 at the Wayback Machine » [arsiva], Site du Ministère de l'Intérieur.
  18. Première chambre civile de la Cour de cassation française, 4 juin 2009, n° de pourvoi: 08-13541.
  19. Première chambre civile de la Cour de cassation française,, 4 juin 2009, n°de pourvoi: 08-10962
  20. "Le décret no 2011-1265 du 11 octobre 2011", Légifrance [arsiva]
  21. « Article 21-24 de la loi du 16 juin 2011 » [arsiva], legifrance.gouv.fr
  22. « Questions entretien naturalisation Archived Jiona 30, 2023 at the Wayback Machine » [arsiva], naturalisation-francaise.fr.
  23. « Naturalisation par décret 2022 », francedemarche.fr [arsiva], 24 juillet 2018
  24. « 200 Questions d'entretien de Naturalisation Française 2022 », FrancePréfecture.fr [arsiva], 4 mars 2022.
  25. « 200 Questions d'entretien de Naturalisation Française 2022 » [arsiva]
  26. France Préfecture, « Niveau de langue française pour naturalisation 2022 », francepréfecture.fr [arsiva], 2 janvier 2022
  27. « La procédure de naturalisation par décret » [arsiva], franceprefecture.fr
  28. « Le Journal officiel électronique authentifié Archived Novambra 27, 2019 at the Wayback Machine » [arsiva], journal-officiel.gouv.
  29. « Comment trouver son décret de naturalisation sur le site du Journal officiel ? » [arsiva], service-public.fr, 12 avril 2016