Aller au contenu

Varimbazaha

Avy amin'i Wikipedia
Varimbazaha

Ny varimbazaha dia zavamaniry mitovitovy amin'ny vary, izay volena hohanin' ny olombelona sy ny biby hatry ny vanimpotoana talohan' ny tantara, ka ny mponina any amin' ny faritra manana toetany antonony no tena namboly azy tamin' izany. Zavamaniry maniry isan-taona ny varimbazaha. Mirefy 1,2 m ny haavony. Mitovy amin' ny ravim-bary ny raviny izay mipoitra voalohany, mipoitra manaraka an' izany ny taho lava mitondra ny voniny izay ho lasa voany. Ahitana lahimbony sy vavimbony ny voniny ka afaka mamoaka voa tsy mila fandraisana anjaran' ny bibikely mpamindra vovobony (toy ny lolo sy ny tantely ohatra). Milanja eo anelanelan' ny 35 sy 50 mg ny voany tsirairay.

Anisan' ny zavamaniry voalohany notazana sy novolen' ny olona ny varimbazaha. Tany Atsianana Akaiky dia nahitan' ny mpikaroka (arkeôlôga) sisam-barimbazaha izay naniry tany amin' ny taonarivo faha-7 tal. J.K. Nisy namboly varimbazaha ny ao Ejipta tamin' ny Andro Taloha. Talohan' ny tantara dia efa nisy koa ny namboly an' izany tany Eorôpa. Efa nisy namboly koa tao amin' ny tapany atsimon' i Torkestàna sy tao Cnossos any Kreta tamin' ny taonarivo faha-6 tal. J.K. ny varimbazaha. Ny Espaniôla no nitondra ny fambolena varimbazaha tany Amerika (ao Meksika) fa ny Britanika kosa no nanao izany tany New-England sy tany Virginia.

Fambolena varimbazaha

[hanova | hanova ny fango]

Maro karazana ny varimbazaha ka samy manana ny karazana mety aminy ny faritra tsirairay eto ambonin' ny tany, arakaraka ny toetany sy ny haambon' ny toerana ambolena azy mba hahazoana vokatra tsara. Varimbazaha volena amin' ny lohataona sy amin' ny ririnina ny any Etazonia sy Kanada ary any amin' ny firenena tao amin' ny Firaisana Sôvietika taloha, ka afafafy ny varimbazaha any amin' ny lohataona na amin' ny fararano mba hojinjaina amin' ny fahavaratra. Ny tanimboly avy novolena beteravy na ovy no tsara ambolena varimbazaha, toraka izany koa ny tany natao firaohan' ny biby fiompy amin' ny fotoana voafetra na novolena voamaina. Tsy atao lalina ny vadi-bainga ho an' ny tany hovolena varimbazaha, nefa raha tiana ho lalina dia tanterahina roa volana alohan' ny fotoam-pamafazana izany.

Fampiasana ny varimbazaha

[hanova | hanova ny fango]
Mofo vita amin' ny varimbazaha

Anamboarana vovo-koba hanaovana mofo ny varimbazaha malemy. Ny varimbazaha mafy kosa dia natokana hanaovana paty fanao sakafo. Azo ahandroina hatao sakafo maraina koa (sahala amin' ny vary) ny varimbazaha. Ao Eorôpa dia azo asolo kafe ny varimbazaha. Azo anamboarana alkôla sy labiera koa ny varimbazaha. Ny sisa tsy nampiasaina amin' ny voam-barimbazaha dia anaovana sakafom-biby. Ampiasain' ny orinasa fanamboaran-damba ny tavolo azo avy amin' ny varimbazaha.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]