Aller au contenu

Tahirin-javaboarin' ny Tsingin' i Bemaraha

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Tsingy)

Coordinates: 18°28′S 45°02′E / 18.47°S 45.04°E / -18.47; 45.04

Tsingy Bemaraha
Haihay

Ny Tahirin-javaboarin' ny Tsingin' i Bemaraha na Tsingin' i Bemaraha dia tahirin-javabary any akaikin' ny morontsiraka andrefan' i Madagasikara, ao amin' ny Faritra Melaky. Toerana voatokana noho ny endriny sy ny zavatra misy ao aminy. Nanomboka tamin' ny taona 1990 dia tafiditra ao anatin' ny Lova Iraisam-Pirenen' i UNESCO izy, noho ny toetra ara-jeôgrafia tsy manam-paharoa, ny ala honko voatahiry, ary ny isan' ny karazam-boron-dia sy ny gidro aman-tsifaka ao aminy.

Any akaikin' ny tanànan' i Bekopaka any amin' ny Faritr' i Melaky no misy ny Tsingin' i Bemaraha, 150 km avaratr' i Morondava amin' ny fidirana ao atsimo, fa eo akaikin' ny tanànan' Antsalova izay azo aleha amin' ny fiaramanidina any amin' ny fidirana avaratra. Misokatra amin' ny volana Jona ka hatramin' ny volana Nôvambra (vanim-potoanan' ny main-tany) ity tahirin-javaboary ity befa mbola tsy mora idirana noho ny lalana sarotra aleha.

Rohy Ivelany

[hanova | hanova ny fango]

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Valan-javaboary