Aller au contenu

Québec (tanàna)

Avy amin'i Wikipedia
Ny tanànan'i Quebec hita avy ao Lévis

I Quebec dia tanàna renivohi-paritanin' i Quebec, anisan' ny faritany any atsinanan' i Kanada. Ny antenimieran' i Quebec dia mipetraka ao miaraka amin' ny ankabeazan' ny fikambanam-paritany. Ny fivondronan' i Vieux-Québas dia ao amin' ny lisitry ny Haren-tsain' izao tontolo izao UNESCO hatry ny taona 1985. Ny tanànan' i Quebec ihany koa no tanàna voafefy any Amerika Avaratra.

Ny tanànan' i Quebec dia anisan' ny tanàna lehibe any atsinanan' i Quebec, eo anivon' ny toerana misy mipetraka any Quebec, eo amoron' i Saint-Laurent. I Samuel de Champlain no namorona ilay tanàna tamin' ny taona 1608 ary izy no renivohitry i Nouvelle Frantsa, i Kanada-Ambany, ary, nandritry ny taona fohy, renivohitr' i Kanada; ny anarana hafa omena an' i Quebec dia "Vieille Capitale" ("Renivohitra Taloha").

Hatry ny taona 2001, ny tanànan' i Quebec dia tanàna kanadianina anisan' ny mandroso indrindra eo aorian' i Calgary sy i Edmonton ary i Saskatoon. Vitsy dia vitsy ny isan' ny olona tsy miasa. Ny asa mivoatra dia ny biôteknôlôjia, ny taozava-baventy, ny fizahan-tany, ny siansa momba ny fiainana, ny fahasalamana ary ny sakafo, ny fiantohana sy ny teknôlôjia. Izy koa no seranana lehibe: ny seranany dia fahatelo any Kanada amin' ny resaka lanjan' entana.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]

Miteny frantsay

[hanova | hanova ny fango]
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.