Aller au contenu

Melanezia

Avy amin'i Wikipedia
Sarin-tany maneho an' i Melanezia

I Melanezia dia iray amin' ny vondro-nosy telo lehibe ao amin' ny Ôseana Pasifika, izay mamorona an' i Ôseania. Toherin' ny mpahay jeôgrafia sasany ity famondronana ara-jeôgrafia ity, nefa ampiasaina matetika izany mbamin' ny firenena voakasika. Avy amin' ny teny grika hoe μέλας / mélas, "mainty", sy ny hoe νῆσος / nễsos, "nosy", ny anarana hoe Melanezia, ka midika hoe "nosy mainty".

Fitsinjaràm-paritra ara-pôlitika

[hanova | hanova ny fango]

Ny tantaran' ny fitsinjaràm-paritra

[hanova | hanova ny fango]

Taorian' ny fandehanan' i Jules Dumont d'Urville tany amin' ny faritr' i Melanezia hamantatra ny zava-misy any dia nanao soso-kevitra tamin' ny Société de géograophie tao Paris izy tamin' ny taona 1831 momba ny fandaminana vaovao an' i Pasifika ho faritra efatra, dia:

  • i Pôlinezia (midika hoe "nosy maro"),
  • i Melanezia ("nosy mainty"),
  • i Mikrônezia ("nosy kely") ary
  • i Malezia (izay nesorina taty aoriana tsy ho ao amin' ny kôntinentan' i Ôseania).

I Melanezia araka ny mahazatra

[hanova | hanova ny fango]
Sarin-tany maneho ny faritr' i Melanezia

I Melanezia, araka ny famaritana mahazatra, dia miendrika reni-tsipika ao avaratra sy avaratra-atsinanan' i Aostralia sy ao atsimon' i Mikrônezia. Heverina fa anisan' i Melanezia ireto firenena na fanjakana na fizaràn-tany manaraka ireto:

Ireo firenena sy fanjakana ary fizaràn-tany ireo dia tsy mandrafitra vondrona ara-pôlitika ranoray.

Ampiasaina amin' ny haifiteny ny teny hoe "melaneziana" amin' ny fitenenenana hoe "fiteny mezô-melaneziana", izay manondro zana-bondrona iray ao amin' ny sampam-piteny ôseanianan' ny fianakaviam-piteny aostrôneziana, ampiasaina ao Papoazia-Ginea-Vaovao sy ao amin' ny vondro-nosy Sôlômôna.

Sarin-tany maneho ny fizaràm-paritr' i Ôseania.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Fizaràm-paritra any Ôseania: