Fiteny italiana
Apparence
(tonga teto avy amin'ny Italiany)
fiteny italiana italiano | |
Isan'ny mpiteny | 65 tapitrisa |
Faritany | Italia, Soisa, Malta, Endrika:San Marino, Endrika:Vatican |
Sata | Teny ofisialy any Italia, Soisa, Endrika:San Marino, Vatican City ary ao amin'ny Vondrona Eoropeana |
Ny fiteny italiana dia ny fiteny ampiasaina any Italia sy any San Marino ary ao Vatikàna.[1] Anisan' ny fiteny rômana ny fiteny italiana izay ampiasain' ny olona miisa 66 tapitrisa any ho any. Heverin' ny mpahay teny ho fiteny tokana mizara fitenim-paritra maro ny fiteny italiana. Nisampana avy amin' ny fiteny latina ny fiteny italiana, sahala amin' ny fiteny rômana hafa toy ny fiteny frantsay, espaniôla, pôrtogey sns. Ny fiteny italiana no fiteny mifanahaka indrindra amin' ny fiteny latina.
Amlpiasana ny fiteny italiana koa ny any Soisa atsimo, ny any Sicilia, ny any Kôrsa, ny any Sardinia na Sardaina, ny any amin' ny morontsiraka avaratra-atsinanan' ny Ranomasina Adriatika, ny any Amerika Avaratra ary ny any Amerika Atsimo.
Boky azo anovozan-kevitra
[hanova | hanova ny fango]- Simone, Raffaele (2010). Enciclopedia dell'italiano. Treccani.
- Berloco, Fabrizio (2018). The Big Book of Italian Verbs: 900 Fully Conjugated Verbs in All Tenses. With IPA Transcription, 2nd Edition. Lengu.
- Palermo, Massimo (2015). Linguistica italiana. Il Mulino.