Aller au contenu

Hoditra

Avy amin'i Wikipedia
Hoditra

Ny hoditra dia fonony ivelany malefaka izay mandrakotra ny vatan' ny biby manana hazon-damosina, ka manana anjara asa telo lehibe: fiarovana sy fametrana ary fahatsapana. Io no taova mivelatra indrindra sy mavesatra indrindra amin' ny tenan' olombelona; Amin' ny olon-dehibe dia manodidina ny 2 m2 ny velarany, ny hateviny dia miovaova eo amin' ny 1 ka hatramin' ny 3 mm. Na izany aza dia kely lavitra noho ny an' ny tsinay (300 ka hatramin' ny 400 m2,) sy ny an' ny havokavoka (80 m2) ny velaram-pifanakalozany.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]