Hoavy
Ny hoavy dia ny fotoana aorian' ny lasa sy ankehitriny. Heverina ho tsy azo ihodivirana ny fahatongavany noho ny fisian' ny fotoana sy ny lalànan' ny fizika. Noho ny fomban' ny zava-misy izay miseho sy ny tsy maha azo ihodivirana ny hoavy dia azo sokajina ho maharitra ny zava-drehetra misy sy mbola hisy, izany hoe hisy mandrakizay, na mihelina, izany hoe hanam-pahataperana. Amin' ny tandrefana, izay mampiasa fomba fijery manara-tsipika momba ny fotoana, ny hoavy dia ampahany amin' ny filaharam-potoana vinavinaina mialoha fa hitranga.
Ao amin' ny filôzôfian' ny fotoana, ny prezentisma dia finoana fa ny ankehitriny ihany no misy fa ny hoavy sy ny lasa dia tsy misy. Mihevitra ny hoavy ny fivavahana rehefa miresaka olana toy ny karma, ny fiainana aorian' ny fahafatesana, ary ny eskatôlôjia izay mandalina ny ho endriky ny fara andro sy ny fiafaran' izao tontolo izao. Ny olo-malaza ara-pivavahana toy ny mpaminany sy ny mpisikidy dia milaza fa mahita ny hoavy. Ny fandalinana ny hoavy, izay atao hoe fotorôlôjia, dia siansa sy zavakanto ary fampiharana ny filazana momba ny hoavy isankarazany mety afaka ny ho tanteraka. Ny mpanao fampiharana ankehitriny dia manantitrantitra ny maha zava-dehibe ny hoavy hafa sy maro, fa tsy hoavy tokana, ary ny famerana ny faminaniana sy ny vinavina, mifanohitra amin' ny famoronana ny hoavy mety hitranga sy tiana kokoa. Ny predeterminisma dia finoana fa ny lasa sy ny ankehitriny ary ny hoavy dia efa voafaritra mialoha.