Aller au contenu

Haavom-peo

Avy amin'i Wikipedia

Ny haavon' ny feo na haavom-peo na haavo, amin' ny mozika, dia toetran' ny feo izay tsapa ka ahafahana mandahatra azy amin' ny ambaratongam-hatetika, izany hoe toetra ahafahana mitsara ny feo ho "ambony" na "ambany" amin' ny heviny mifandray amin' ny mozika. Ny haavo dia iray amin' ny toetra ilaina indrindra amin' ny feo na naoty, ka ny hafa dia ny faharetana sy ny hamafy ary ny loko. Amin' ny mozika tandrefana dia tondroina amin' ny anaran' ny maripeo eo amin' ny toha-peo na gama ny ny haavon' ny feo. Ny haavon' ny naoty amin' ny tohatra dia antsoina hoe ambaratonga.

Hatetiky ny maripeo
Maripeo Hatetika Taha
0 do 261,6 Hz = 1
1 do#  / réb 277,2 Hz ≈ 1,06
2 293,7 Hz ≈ 1,12 (≈ 9/8)
3 #  / mib 311,1 Hz ≈ 1,19
4 mi 329,6 Hz ≈ 1,26 (≈ 5/4)
5 fa 349,2 Hz ≈ 1,33 (≈ 4/3)
6 fa#  / solb 370,0 Hz ≈ 1,41
7 sol 392,0 Hz ≈ 1,5 (≈ 3/2)
8 sol#  / lab 415,3 Hz ≈ 1,59
9 la 440 Hz ≈ 1,68
10 la#  / sib 466,2 Hz ≈ 1,78
11 si 493,9 Hz ≈ 1,89
12 do 523,2 Hz = 2 (ôktava)

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]