Aller au contenu

Fiteny arameana palestiniana kristiana

Avy amin'i Wikipedia


Ny fiteny arameana palestiniana kristiana dia fitenim-paritra arameana andrefana nampiasain' ny Kristiana Melkita, mety ho taranaka jiosy, tany Palestina sy tany Transjôrdania ary tany Sinay teo anelanelan' ny taonjato faha-5 sy faha-13. Voatahiry anaty sora-tsokitra, sora-tanana (palimpsesta ny ankamaroany, vitsy kokoa ny papirosy tamin' ny vanim-potoana voalohany) ary filakitera.

Ny fitenim-paritra arameana andrefana tamin' ny Andro Antenatenany rehetra dia nofaritan' ny fiangonana. Ny fiteny arameana palestiniana kristiana dia mifandray akaiky amin' ny namany, dia ny fiteny arameana jodeô-palestiniana sy ny fiteny arameana samaritana. Ny fiteny arameana palestiniana kristiana dia manana voambolana manokana izay matetika tsy mitovy amin' ny an' ny fitenim-paritra arameana andrefana mifanakaiky aminy.