I Titosy na Tito dia Kristiana niara-niasa tamin' i Paoly avy any Tarsôsy sy nanaraka azy tamin' ny dia lavitra nataony, ary lasa episkôpa na evekan' ny fiangonana tao Kreta (grika: Κρήτη/ Krêtê). Atao hoe Τίτος / Titos izy amin' ny teny grika fa Titus kosa amin' ny teny latina.

Araka ny Epistily ho an' ny Galatiana (Gal. 2:3) dia kristiana grika izy ka anisan' ireo izay tsy tokony hoforana. Olona manan-talenta tamin' ny fifandraharahana i Titosy ka matetika dia nampamitaina iraka sarotra, nefa matotra sady mazava ny fitenenany. Niandraikitra ny famerenana ny filaminana teo amin' ny fiangonan' i Kôrinto izy sady nandamina ny fiangonan' i Kreta koa.

I Eosebiôsy avy any Kaisarea dia mitatitra araka ny lovantsofina fa evekan' i Kreta manontolo i Titosy, sahala amin' i Timôty (na Timôte) izay evekan' i Efesôsy (na Efezy na Efeso). Araka ny lovantsofina dia maty tao Gôrtina (grika: Γόρτυνα / Górtuna) ao atsimon' i Knôsôsy (grika: Κνωσός / Knôsós) i Titosy. Mbola ahitana bazilika mitondra ny anarany io tanàna io.

Jereo koa

hanova