Aller au contenu

Ziônisma

Avy amin'i Wikipedia
Sainan' ny hetsika siônista izay lasa sainan' i Israely

Ny ziônisma na siônisma dia hetsika nasiônalistan' ny ampahany amin' ny vahoaka jiosy mikendry ny fananganana "akanim-pirenena jiosy", sy ny fizakan-tena ho an' ny vahoaka jiosy ao amin' ny "Tanin' i Israely", izay mifanitsy amin' i Kanaana, amin' ny Tany Masina, na ny faritr' i Palestina.

Niseho indrindra tany Eorôpa Afovoany sy Atsinanana tamin' ny taonjato faha-19 ity hetsika nasiônalista na fanindrahindran-pirenena jiosy ity, sy nanomboka nahita fahatanterahana ara-pôlitika momba ny fanantenany tamin' ny Fanambaràna Balfour tamin' ny taona 1917 avy eo tamin' ny fananganana an' i Palestina teo ambany fitantanan' ny Britanika tamin' ny fiafaran' ny Ady Lehibe Voalohany tamin' ny taona 1920, izay nampitombo ny fifindrà-monina jiosy nankao amin' ilay faritany ary nitarika ny fananganana ny Fanjakan' i Israely tamin' ny taona 1948.

Manana fototra ao amin' ny lova ara-pivavahana sy ny fahamaninana an' i Ziôna na Siôna ao amin' ny fahatsiarovan-tena jiosy momba ny sesitany na fahababoana ny ziônisma, ary niainga tao amin' ny tontolon' ny hetaheta nasiônalista tamin' ny taonjato faha-19, sy ny dingana mankany amin' ny fiainana laîkan' ny mponina jiosy askenazy izay nifandray amin' ny fomba fiainana môderina. Noho ny firongatry ny tsy fitiavana Jiosy (antisemitisma), indrindra tany Eorôpa Atsinanana, dia nanjary nalaza teo amin' ny Jiosy nenjehina ilay hetsika.

Theodor Herzl

Nahazo vahana ilay hetsika teo ambany fitarihan' i Theodor Herzl tao Basel (frantsay: Bâle) tamin' ny taona 1897, ary notohanan' ny kôngresy ziônista roa amby roapolo (1897-1945) sy ny fikambanana toy ny World Zionist Organization (1897), ny Anglo-Palestine Bank (1902), ny Jewish Agency for Israel (1929) ary ny World Jewish Congress (1936).

Izany no nahatonga ny fifindrà-monina jiosy ho any amin' ny faritr' i Palestina, izay nanao fandaminana ho lasa "akanim-pirenena" talohan' ny Ady Lehibe Faharoa. Ahitana hevitra maro isan-karazany ny ideôlôjian' ny ziônisma, izay ahitana ny faniriana hanana tanim-pirenena ho an' ny vahoaka jiosy sy fikatsahana ara-môraly sy ara-panahy.

Sady foto-pisainana (ideôlôjia) no hetsika fanindrahindram-pirenena (na nasiônalista) ny ideôlôjian' ny ziônisma. Niteraka fanoherana (antiziônisma) efa hatrany am-piandohany ilay hetsika.

Hatramin' ny niorenan' ny Fanjakan' i Israely tamin' ny taona 1948 dia anisan' ny pôlitika tao Israely ny ziônisma ary nanohy nanohana ny fanjakana jiosy ilay hetsika. Nandray anjara amin' ny fandraisana ny mpifindra monina sy ny mpitsoa-ponenana vaovao (Jewish Agency for Israel, Nefesh B'Nefesh, sns.); amin' ny fandaharan' asa momba ny tontolo iainana (Keren Kayemeth LeIsrael); ary amin' ny fandaharan' asa fanampiana ara-tsôsialy (Keren Hayesod) koa ity hetsika ity.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]