Abidy grika
Ny abidy grika (Ελληνικό αλφάβητο / Ellênikó alphábêto amin' ny teny grika) dia abidy manavaka ny renisoratra[1] sy ny zanatsoratra sady ahitana litera efatra amby roapolo, izay natao hanoratana ny fiteny grika nanomboka tamin' ny taonjato faha-9 tal. J.K. hatramin' izao fotoana izao. Io ihany koa no heverina fa abidy antitra indrindra – raha ferana amin' ny famaritana voalohan' ny teny hoe abidy – satria samy manana ny evany ny feo tsirairay.
Indreto ireo litera ireo amin' ny endriny renisoratra sy zanatsoratra: Α α, Β β, Γ γ, Δ δ, Ε ε, Ζ ζ, Η η, Θ θ, Ι ι, Κ κ, Λ λ, Μ μ, Ν ν, Ξ ξ, Ο ο, Π π, Ρ ρ, Σ σ/ς, Τ τ, Υ υ, Φ φ, Χ χ, Ψ ψ, ary Ω ω.
Tamin' ny Andro Taloha dia nampiasaina ho an' ny fanisana amin' ny teny grika ihany koa ny litera, fa voasolon' ny tarehimarika arabo izy ireo taty aoriana.
Avy amin' ny abidy fenisianina ny abidy grika. Tsy misy fifandraisana amin' ny lineary B na ny silabera sipriôty (na kipriôta) ilay izy. Nahatonga ny fipoiran' ny abidy latina tao Eorôpa io abidy io. Fampiasa ho eva amin' ny siansa, amin' ny anaram-boanjavatra amin' ny fizika, amin' ny anaran-kintana ary fikambanam-pirahalahiana sy firahavaviana ny litera grika.
Tantara
[hanova | hanova ny fango]Fipoirana
[hanova | hanova ny fango]Nitranga taonjato maromaro taorian' ny naharava ny sivilizasiôna misenianina (ary noho izany ny fanajanonana ny fampiasana ny lineary B) ny abidy grika. Ny lineary B dia soratra avy amin' ny lineary A izay novaina mba handikana tsara kokoa ny feon' ny teny grika voalohany. Nipoitra tany amin' ny "taonjato maizina" (taonjato faha-12 hatramin' ny taonjato faha-8 tal. J.K.) ny abidy grika fantantsika ankehitriny. Izy io dia avy amin' ny abidy fenisianina nampiana zanatsoratra izay nilaina sao tsy ho voavaky ny teny grika.
Tany am-boalohany dia tsy soratana ao amin' ny abidy semitika ny zanapeo. Amin' ny maha fiteny semitika ny fiteny fenisianina dia azo vinavinaina ny zanapeo miaraka amin' ny renifeo iray (jereo ohatra ny abidy hebreo). Amin' ny maha fiteny indô-eorôpeanina ny teny grika kosa dia ilaina ny zanatsoratra hahalalana ny fanononana ny teny iray. Navadiky ny Grika ho amin' ny filany noho izany ny abidy fenisianina ka tsy maintsy arahan' ny zatsoratra iray foana ny renisoratra vao azo tononina ny vaninteny iray.
Zanatsoratra avy amin' ny renisoratra fenisianina
[hanova | hanova ny fango]« Α » (alfa), « Ε » (epsilôn), « Ι » (iôta), « Ο » (ômikrôn) ary « Υ » (opsilôn) no zanatsoratra niaviana izay famadihana ny renisoratra semitika tsy ilaina hanoratana ny renifeo grika:
- « » (alef), feo tononina an-janadela ([ʔ]), izay nanome ny alfa ;
- « » (he), izay naneho ny feo "h" ([h]), izay nanjary epsilôna ;
- « » (yod), (yod), izay naneho ny feo "i" alohan-janapeo ([j]), , lasa iôta ;
- « » (ayin), izay naneho ny feo am-bavatraoka [ʕ], lasa ômikrôn ;
- « » (waw), izay naneho ny feo "o" mialoha zanapeo ([w]) (vakîna mitovy amin’ny "o" malagasy na "ou" frantsay), lasa opsilôn.
Amin' ireo fitenim-paritra grika tatsinanana izay tsy nampiasa ny fanononana an-tenda (frantsay: aspiration), ny litera « Η » (êta) avy amin' ny renisoratra semitika "ח" (het) no nampiasaina amin' ny fanoratana ny zanapeo lava "ê" ([ɛ:]); taty aoriana, dia nampiasaina handikana ny feo "ô" ([ɔ:]) ny « Ω » (ômega).
Ny renisoratra vaovao
[hanova | hanova ny fango]Ny fiteny grika dia nampiditra ihany koa renisorAtra telo: dia ny « Φ » (phi) sy ny « Χ » (khi) ary ny « Ψ » (psi), natovona any amin’ ny faran’ ny abidy arakaraka ny fivoarany. Ireo renisoratra ireo dia nameno ny tsy fisian' ny "aspiration" tahaka ireo izay tsy ananan’ ny fiteny fenisiana. Tao amin’ ny fitenim-paritra andrefana, ny khi dia nampiasaina haneho ny feo [ks] (avy amin' izany ny famakiana latina ny litera "x"), ny psi naneho ny feo [kʰ]. Ny fiavian’ ireo litera ireo dia mbola iadian’ ny manampahaizana hevitra.
Fivoarana taty aoriana
[hanova | hanova ny fango]Ny litera san (Ϻ) dia nampiasaina nifanolo amin' ny sigma haneho ny feo [s], ary tamin’ ny vanimpotoana klasika dia tian' ny olona kokoa ny nampiasa ny sigma noho ny san, izay tsy hita intsony. Ny digamma (Ϝ), atao hoe ϝαῦ / waũ, sy ny koppa (Ϟ) tamin’ ny voalohany dia tsy nampisasaina intsony koa taorian’ izany. Ny digamma dia tsy nampiasaina afa-tsy tamin’ ny fanoratana ny tenim-paritra tandrefana, ary ny koppa tsy dia nisy nilana azy loatra. Ireo endri-tsoratra ireo anefa dia tafajanona ihany ho solon’ ny tarehimarika teo amin' ny fiteny grika iôniana, ka ny litera tsirairay nanondro isa iray. Sahala amin’ izany koa ny sampi (Ϡ), izay tarehintsoratra tsy fahita matetika tao Iônia, izay nampidirina tamin’ ny fanoratana ny isa, ka naneho ny isa 900.
Abidy nampiraisim-bolo
[hanova | hanova ny fango]Tamin' ny voalohany dia nisy karazany maromaro ireo atao hoe "abidy grika", ny tena nanan-danja dia ny abidy grika tandrefana sy ny abidy tatsinanana iôniana. Ity farany no lasa nanjaka. Ny abidy tandrefana dia niteraka ny abidy italika tranainy avy eo ny abidy latina nefa ny abidy grika tatsinanana no nipoiran’ ny abidy grika amin’ izao fotoana izao io. Ny tananan' i Atena (grika: Atenai) dia nampiasa aloha ny abidy atika tao amin' ny taratasy ôfisialy (ara-panjakana), izay nahitana ireo litera hatramin’ ny alfa ka hatramin’ ny upsilon, sy nampiasa ny êta hanamarihana ny fanononana an-tenda sahala amin' ny "h" (frantsay: aspiration) fa tsy hanondroana ny feo [ɛ]. Tamin' ny taona 403, ny mpanoratra tao Atena dia nandray ny abidy iôniana, ary fotoana fohy taorian' io ireo karazana abidy samihafa dia nanjavona tsy nampiasaina intsony. Tamin’ izany fotoana izany, ny fiteny grika dia nosoratana avy ankavanana miankavia, nefa tamin’ ny fiandohany, dia nosoratana avy ankavia miankavanana (natodika araka izany koa ny endrik' ireo litera) na ireo zotra roa ireo mifandimby, izany no atao hoe "boustrophédon" amin’ ny teny frantsay, ka isaky ny andalana dia miova todika ny fanoratana.
Ny nisehoan' ny mari-tsoratra sy ny zanatsoratra
[hanova | hanova ny fango]Tamin' ny vanim-potoana helenistika, i Aristôfanesy avy any Bizansy dia nanomboka nanisy tendron-tsoratra ny litera grika – mba hahamora ny fanononana. Nandritra ny Andro Antenatenany, ny fanoratana ny abidy grika dia nahitana fiovana mitovy amin' izay nahazo ny abidy latina tamin' izany fotoana izany. Ny litera sigma (σ) dia soratana ho « ς » any amin’ ny faran' ny teny, sahala amin' ny ampiasan' ny abidy latina ny « S lava » (soratana hoe « ſ ») any am-piantombohan' ny teny na eny afovoany, ary S faranteny (soratana hoe « s ») any amin' ny faran' ny teny.
Ny anaran' ny litera
[hanova | hanova ny fango]Ny litera tsirairay ao amin' ny abidy fenisiana dia nomena anarana araka ny teny anombohan' ny feo asehon’ io litera io. Noho izany, ny ʾaleph, izay midika hoe "ombilahy", dia nanome ny anarany amin’ ny litera voalohany ao amin’io abidy io, ny bet ("trano"), izay nanome ny anarany ho an’ ity litera ity, dia toy izany hatranihatrany. Ny Grika kosa, tamin’ ny fandraisana ireo litera fenisiana ireo, dia nihazona ny anarana fenisianan' ireo litera, na nanao fanovana kely: ʾaleph dia nanjary álpha, ny bet nanjary bễta, ny gimel nanjary gámma, sns. Ireo anarana nindramina ireo dia tsy misy heviny ao amin’ ny fiteny grika. Misy kosa anefa mari-tsoratra natovon’ ny Grika na nasiany fanovana dia manana anarana izay misy heviny: ò mikrón dia midina hoe "O kely", ny ỗ méga dia midika hoe "O lehibe". Toraka izany koa ny è psilón izay midika hoe "e voatsongo".
Abidy grika, fanononana, dikan-tsoratra
[hanova | hanova ny fango]Litera | Anarana | Fanononana | Litera fenisianina niaviana | Dikan-tsoratra latina | |||
---|---|---|---|---|---|---|---|
Grika | Latina | Taloha | Ankehitriny | Taloha | Ankehitriny | ||
Α α | ἄλφα | Alpha | [a] [aː] | [a] | 'Aleph | a | a |
Β β | βῆτα | Beta | [b] | [v] | Beth | b | v |
Γ γ | γάμμα | Gamma | [g] | [ʝ] alohan'i [e̞] raha tsy izany [i]; [ɣ] any an-kafa |
Gimel | g | gh, g, j |
Δ δ | δέλτα | Delta | [d] | [ð] | Daleth | d | d, dh |
Ε ε | ἔ, ἐψιλόν | Epsilon | [e] | [e̞] | He | e | e |
Ζ ζ | ζῆτα | Zeta | [dz], aoriana [zː] | [z] | Zain | z | z |
Η η | ἦτα | Eta | [ɛː] | [i] | Heth | e, ē | i |
Θ θ | θῆτα | Theta | [tʰ] | [θ] | Teth | th | th |
Ι ι | ἰῶτα | Iota | [i] [iː] | [i], [j] | Iodh | i | i |
Κ κ | κάππα | Kappa | [k] | [c] alohan'ny [e̞] na [i]; [k] raha tsy izany |
Kaph | k | k |
Λ λ | λάμβδα | Lambda | [l] | [l] | Lamedh | l | l |
Μ μ | μῦ | Mu | [m] | [m] | Mem | m | m |
Ν ν | νῦ | Nu | [n] | [n] | Nun | n | n |
Ξ ξ | ξῖ | Xi | [ks] | [ks] | Samech | x | x, ks |
Ο ο | ὄ, ὀμικρόν | Omicron | [o] | [o̞] | 'Ain | o | o |
Π π | πῖ | Pi | [p] | [p] | Pe | p | p |
Ρ ρ | ῥῶ | Rho | [r], [r̥] | [r] | Res | r (ῥ: rh) | r |
Σ σ ς (tapitra) |
σῖγμα | Sigma | [s] | [s] | Sin | s | s |
Τ τ | ταῦ | Tau | [t] | [t] | Tav | t | t |
Υ υ | ὔ, ὐψιλόν | Upsilon | [u] [uː], aoriana [y] [yː] | [i] | Vav | u, y (anelanelan-janapeo) | y, v, f |
Φ φ | φῖ | Phi | [pʰ] | [f] | Fiaviana tsy ifanekena | ph | f |
Χ χ | χῖ | Khi | [kʰ] | [ç] alohan'ny [e̞] na [i]; [x] raha tsy izany |
ch | ch, kh | |
Ψ ψ | ψῖ | Psi | [ps] | [ps] | ps | ps | |
Ω ω | ὦ, ὠμέγα | Omega | [ɔː] | [o̞] | 'Ain | o, ō | o |
Litera | Fiteny | Anarana | Dikan-tsorata | Fanononana | ||
---|---|---|---|---|---|---|
amin'i Wikipedia | amin'ny teny niaviana | amin'ny teny grika | ||||
Ϝϝ,Ͷͷ | grika | Digamma | ϝαῦ | δίγαμμα | w | [w] |
Ϛϛ | grika | Stigma | στίγμα | st | [st] | |
Ͱͱ | grika | Heta | ἧτα | h | [h] | |
Ϻϻ | grika | San | ϻάν | σάν | s | [s] |
Ϙϙ,Ϟϟ | grika | Koppa | ϙόππα | κόππα | q | [q] |
Ͳͳ,Ϡϡ | grika | Sampi | σαμπῖ | ss | [sː], [ks], [ts] | |
Ϸϸ | baktrianina | Sho | š | [ʃ] |
Ireo litera klasika
[hanova | hanova ny fango]Ao amin’ ny tabilao etsy ambany no anehoana ny lisitr’ ireo litera grika fampiasa matetika, sy ny litera latina mifandraika aminy ary ny litera fenisiana niaviany. Omena araka ny rafi-peo iraisam-pirenena ny fanononana ny litera tsirairay. Ny fanononana ny litera grika omena eto dia ilay fanononana araka an' i Erasma. Misy fahadisoana ampahany io fanononana io, ary any amin’ ny fianarana teny grika no tena nampiasna azy. Ny fanoninana ny litera grika amin’ ny fanononana atika tamin’ ny faran’ ny taonjato faha-5 sy tamin’ ny fiantombohan’ny taonjato faha-4 tal. J.K.
Fiovana endrika kely amin’ ny fanoratana
[hanova | hanova ny fango]Ny litera sasany dia mampiseho endrika, ny ankamaroany nolovana avy tamin’ ny zanatsoratry ny Andro Antenatenany. Raha ny fampiasana azy ireo niankina tamin’ ny safidin’ ny tsirairay, nisy tamin’ ireo endrika ireo no voafehina lalàna manokana ao amin’ ny fenitra Unicode:
- ny « ϐ » dia endriky ny bêta « β » (Unicode :
03D0
); - ny epsilon dia azo soratana hoe « ϵ » (« epsilon sarim-bolana », Unicode :
03F5
) na « ε »; - ny thêta dia azo soratana amin’ ny fomba roa: « θ » na « ϑ », ny faharoa dia miasa matetika amin’ ny sora-tanana (Unicode :
03D1
); - ny « ϰ » dia karazan’ ny kappa « κ » amin’ ny sora-tanana (Unicode :
03F0
); - ny pi izay azo soratana hoe « ϖ », dia endrika ntaolon’ ny litera pi ankehiriny (π) (Unicode :
03D6
); - ny rhô dia miseho amin’ ny endrika roa : « ρ » sy « ϱ » (Unicode :
03F1
); - ny sigma, amin’ ny fanoratana tsotra ny teny grika dia manana endrika roa : « σ » sy « ς ». Ny voalohany raha any amin’ny fanombohan’ ny teny na eny afovoany fa ny faharoa kosa raha any amin’ ny farany. Misy karazany hafa koa, dia ny « sigma misarim-bolana » (ϲ), izay avy amin’ ny fanoratana tamin’ ny Andro Antenatenany (Unicode :
03F2
); - ny upsilon sorabaventy (Υ) dia manana endrika hafa koa: ϒ (Unicode :
03D2
); - ny litera phi dia mety hiseho amin’ ny endrika roa, « φ » na « ϕ » (Unicode :
03D5
).
Sahala amin’ izay niseho teo amin’ ireo endriky ny litera latina, nisy karazana literana zanatsoratra izay niseho ankoatry ny tarehin-tsoratra fanontam-pirinty. Ny litera sasany dia nanana endrika hafa tanteraka amin’ ny zanatsoratra tamin’ ny Andro Antenatenany ampiasaina amin’ ny fanontana pirinty.
Ny litera enti-manisa
[hanova | hanova ny fango]Ireto litera manaraka ireto dia tsy isan’ ny abidy grika fampiasa matetika. Nefa izy ireo dia nampisaina nandritra ny Andro Taloha na tamin’ ny tenim-paritra grika sasany. Ny ampahany amin’ ireo litera ireo dia mbola nampiasaina amin’ ny fanoratana ny fanisana grika.
Ny sampi dia nanoratana ny renifeo mikasaoka sy kambana, izay nivoatra nankany amin’ ny endriky ny sigma kambana (-σσ-), izay maneho ny feo [sː] ao amin’ ny ankamaroan’ ny fitenim-paritra grika sy tamin’ ny fiteny atika, naneho ny [tː] (-ττ-). Ny tena fanononana azy dia mbola iadian’ ireo manampahaizana hevitra (misy ny manao hoe [ts]). Io anarany io dia mety avy amin’ ny teny grika hoe σαν πι / san pi, "sahala amin’ ny pi ", noho ny fifanahafany amin’ ny litera pi (π). Ny filaharan’ ny litera eo anelanelan’ ny Α sy ny Τ dia araka ny an’ ny abidy fenisiana.
Soratra mifandrohy
[hanova | hanova ny fango]Misy sotratra mifandrohy hita sahady tamin’ ny fotoana taloha tamin’ ny soratra fandrahina sasany, izay manakambana soritra mitsangana amin’ ny litera mifanarakarana (sahala amin’ ny Η sy Ν), mba hitsitsiana ny toerana anoratana sy hanakelezana ny fotoana hamandrahana. Ny hafa koa, toy ny rohin’ ny omikron sy ny upsilon (Ȣ) na ny fanafohezana amin’ ny hoe ϗ ny teny hoe καὶ (midika hoe « sy »), dia hita tamin’ ny sora-tanam-piraketana tamin’ ny Andro Antenatenany sady nitohy ny fampiasana azy tamin’ ireo lahatsoratra voapirinty voalohany, nefa ny fampiasana azy ireo dia nihena tamin’ ny taonjato faha-17 sy faha-18 talohan’ ny tsy nampisana azy intsony amin’ ny fanoratana ny teny grika ankehitriny.
Ny mari-tsoratra
[hanova | hanova ny fango]Ao amin’ ny fanoratana marofeo ampiasaina hanoratana ny teny grika tranainy, ny zanatsoratra dia mety hitovona mari-tsoratra (famantarana) izay maneho ny tsindrim-peo sy ny fanononana an-tenda (fr.: aspiration).
Ny tsindrimpeo na tendro
[hanova | hanova ny fango]Misy telo karazana ny tsindrimpeo soratana na tendro (raha ny marina kokoa) tamin’ ny fanoratana ny fiteny grika tranainy:
- ny tendro miraika havia (ohatra: δαίμων / daímôn);
- ny tendro miraika havanana (ohatra: καὶ / kaì);
- ny tilda (ohatra: τιμῆς / timês na timēs).
Tsy ny fanononana mafy ny vaninteny misy azy no ambaran’ izy ireo fa ny hahavon’ ny feo: tsindrimpeon-kaavo no filaza izany. Taty aoriana dia najary tsindrimpeon-kamafy izy ireo.
Ny fanoratana grika dia ahitana koa ny tendro roa na trema (¨) izay manambara ny fifanarakarahana zanapeo roa tsy ovana fanononona (fr.: hiatus) (ohatra: ευρωπαϊκό / eurôpaïkó amin’ ny fiteny grika vaovao).
Ny mari-panononana an-tenda
[hanova | hanova ny fango]Misy karazany roa ny mari-panononana an-tenda, dia ny mari-panononana an-tenda mafy sy ny mari-panononana an-tenda malefaka. Ny mari-panononana an-tenda mafy (῾) dia manambara tokoa ny fanononana an-tenda mifandraika amin’ ny feo [h] na ny litera « h » rehefa soratana amin’ ny litera latina (ohatra: ὑπέρ / hupér). Ny mari-panononana an-tenda malefaka (᾿) dia manambara ny tsy fisian’ io fanononana an-tenda io (ohatra: ἐλευθερία / eleuthería). Amin’ ny fanombohan’ ny teny, ny tendro sy ny mari-panononana an-tenda dia mety hitambatra eo amin’ ny zanatsoratra iray (ohatra: ἔστιν / éstin, ἅπαντας / apantas).
Tamin’ ny taona 1982, ny rafi-panoratana ny mari-tsoratra atao hoe “maro tendro” dia notsorina, ka nosoloana amin’ ny rafi-panoratana “tokan-tendro”, izay tsy anoratana afa-tsy tendro tokana, mahitsy na miraika havia arakaraka ny tarehin-tsoratra (police), izay manambara ny zanapeo misy tsindrimpeo (΄) (ohatra: (είναι / eínai). Ny fanoratana ny mari-panononana an-tenda dia navela koa ka tsy ampiasaina intsony nanomboka tamin’ io taona io.
Ny litera sosona sy ny zanatsoratra laha-droa
[hanova | hanova ny fango]Ny diagrama (litera lahadroa) dia litera roa mitovy ampiasaina hanoratana feo tokana na fikambanana feo roa izay tsy mifandraika amin’ny tsirairay amin’ny litera ao amin’io fikambanana io. Ny fanoratana ny teny grika dia manana litera sosona maro, indrindra zanatsoratra sosona, izay vakina sahana amina zanapeo mifanarakaraka anaty vaninteny iray taloha nefa tsy maneho afa-tsy feo iray sahala amin’ny litera iray amin’ny fiteny grika ankehitriny. Nandritra ny vanim-potoana bizantina, ny fanao dia nanoratra ny iota sasany izay tsy tononina sady apetraka eo ambanoin’ny litera eo aloha : ny ᾳ sy ny ῃ ary ny ῳ ; ireo no atao hoe iota soratana ambany (na iota aladina).
Fampiasana ny tatehin-tsoratra grika amin' ny fiteny hafa
[hanova | hanova ny fango]Ny abidy grika dia ampiasaina amin'ny teny hafa maro ihany koa. Nampiasaina amin'ny fanoratana ny teny etroska izy io, na dia novaina kely aza ny endriny, nanoratana ireo teny italika taloha koa izy ireo. Nampiasaina tao Afrika ihany koa izy io ho an' ny fiteny kôpta izay teny fampiasa amin' ny fiangonana kristianina kôpta ao Ejipta. Nampiasa ny abidy grika voaova ihany koa ny fiteny baktrianina (Iràna). Avy amin' ny abidy grika ny abidy ronika, gôtika, armeniana, jeôrjiana, glagôlitika ary sirilika.
Nisy litera fanampiny nampiasain’ ny Kristiana ôrtôdôksa albaney tamin’ ny taonjato faha-19 sy nampiasain’ ny Baktriana tamin’ ny taojato voalohany hatramin’ ny faha-3.
Tamin' ny Andro Taloha
[hanova | hanova ny fango]Tamin' ny Andro Taloha, ny ankamaroan' ny abidy tao Asia Minora, teo anelanelan' ny taona 800 sy 300 tal.J.K. hanoratana ny fiteny sahala amin' ny fiteny lidiana na ny fiteny frigiana, dia abidy grika nasiam-panovana madinika. Ny sasany amin’ ny fiteny paleô-balkanika. Ho an’ ny fiteny mifanakaiky aminy, sahala amin’ ny fiteny makedôniana tranainy, dia nahitana teny vitsy mitokantokana voasoratra amin’ ny abidy grika, nefa tsy nahitana lahatsoratra mitohy na iray aza. Nisy soratra voasokitra amin' ny fiteny gaoloà tao Narbonnaise, nanodidina ny taona 300 tal. J.K. izay voasoratra tamin' ny abidy grika.
Ny lahatsorara hebreo ao amin’ ny Heksapla nosoratan' i Ôrigenesy dia nosoratana tamin' ny litera grika. Nisy soratra voasokitra tamin' ny fiteny ôseta tamin' ny taonjato faha-10 na faha-12, hita tao Arkhyz, dia nampiasa tarehin-tsoratra grika: izany no soratra voasokitra tranainy indrindra amin’ ny fiteny ôseta.
Litera fanampiny
[hanova | hanova ny fango]Maro ireo abidy izay niforona avy amin’ ny abidy grika izay nanampy litera hafa:
- Ny abidy baktriana dia ahitana litera fanampiny iray, dia ny sho (sorabaventy: Ϸ, soramadinika: ϸ) izay naneho ny feo [ʃ] (« sh »). Nanoratana ny fiteny baktriana tamin’ ny Empira Koshana (taona 65-250).
- Tao amin' ireo fanjakana indô-grika sy araka ny fomba fanoratra baktriana, ireo nahita fianarana bodista na akaiky ny bodisma nefa nandray ny kolontsaina grika[2] dia nanao lahatsoratra amin’ ny fiteny sanskrita izay nosoratana tamin’ ny abidy grika nolovaina tamin’ ireo Baktriana.
- Ny abidy kôpta dia mampiasa litera valo fanampiny izay nivoatra avy amin’ ny demôtika ejipsiana. Mbola ampiasaina ao Ejipta izy ireo hanoratana ny fiteny kôpta, nefa ny litera dia voasoratra amin’ ny endrika manakaiky ny sorabaventy atao madinika (frantsay: onciale), izany no maha hafa endrika azy amin' ny litera grika mahazatra.
- Ny fanoratana ny fiteny nobiana tranainy tao Makoria (Sodàna ankehitriny) dia nahitana litera avy amin’ ny abidy kôpta, ka ny roa avy amin’ ny abidy meroitika sy litera sosona ahitana gamma roa mikambana sady maneho ny feo [ŋ].
Vanim-potoana akaiky antsika
[hanova | hanova ny fango]- Ny fiteny kôpta dia mampiasa abidy nivoatra avy amin’ ny abidy grika hatramin’ izao
- Ny Kristiana ôrtôdôksa tiorka dia mampiasa fiteny tiorka atao hoe karamanlidika, izay soratana indraindray amin’ ny abidy grika.
- Ny fiteny toska (tenim-paritra albaney) dia indraindray soratana amin’ ny abidy grika, nanomboka tamin’ ny taona 1500 tany ho any[3]. Ny fanaovam-pirinty ao Moskoplisy dia nanonta lahatsoratra albaney maro tamin’ ny taonjato faha-18 tamin’ ny fampiasana ny abidy grika. Ny abidy arvanôtika dia tsy ampiasaina raha afa-tsy ao Grisia.
- Maro ireo fitenim-paritra slava tatsimo, mifanahaka amin’ ny fiteny bolgara sy ny fiteny makedôniana (na masedoniana), izay nosoratana tamin’ ny endri-tsoratra grika. Ireo fiteny slava atsimo ireo dia mampiasa ny abidy sirilika nasiam-panovana ankehitriny.
- Ny fiteny armana (na aromana) dia nosoratana tamin’ ny abidy grika. Tsy mbola misy fenitra mazava anoratana ny fiteny aromana nefa ny abidy latina no ampiasaina kokoa.
- Ny fiteny gagaoza izay fiteny torkika avaratra-atsinanana ampiasain' ireo Balkana dia mampiasa ny abidy grika koa.
Sary | Karazana | Fiteny | Anarana | Dikan-tsorata | Fanononana | ||
---|---|---|---|---|---|---|---|
amin'i Wikipedia | amin'ny teny niaviana | amin'ny teny grika | |||||
Ϣ ϣ | Kôpta | ϣαι | š | [ʃ] | |||
Ϥ ϥ | Kôpta | ϥαι | f | [f] | |||
Ϧ ϧ | Kôpta | ϧαι | ḫ | [x] | |||
Ϩ ϩ | Kôpta | ϩορι | h | [h] | |||
Ϫ ϫ | Kôpta | ϫανϫα | ḏ | [ʤ] | |||
Ϭ ϭ | Kôpta | ϭιμα | c | [ʧ] | |||
Ϯ ϯ | Kôpta | τι | ti | [ti̯] | |||
Ⳁ ⳁ | Kôpta | ⳁις νϣε | ps | [ps] |
Ny abidy hafa avy amin' ny abidy grika
[hanova | hanova ny fango]Ny abidy grika dia nipoirana abidy maro[1]:
- ny abidy latina izay nivoatra avy amin’ ny karazana abidy grika tandrefana;
- ny abidy gôtika izay niforona nandritra ny tapany farany tamin’ ny Andro Taloha hanoratana ny fiteny gôtika.
- ny abidy glagôlitika izay nanoratana ireo fiteny slava.
- ny abidy sirilika izay nasolo ny abidy glagôlitika hanoratana ny fiteny slava sasany.
Ny abidy grika dia heverina fa mety ho razamben’ ny abidy armeniana, izay nisy fiantraikany koa teo amin’ ny endriky ny abidy jeôrjiana.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Abidy malagasy
- Abidy latina
- Abidy grika
- Abidy hebreo
- Abidy fenisiana
- Abidy sirilika
- Abidy arameana
- Abidy siriaka
- Abidy samaritana
Bibliôgrafia
[hanova | hanova ny fango]- Cook, B. F. (1987). Greek inscriptions. University of California Press/British Museum.
- Coulmas, Florian (1996). The Blackwell Encyclopedia of Writing Systems. Oxford: Blackwell Publishers Ltd..
- (1996) The World's Writing Systems. Oxford University Press.
- Elsie, Robert (1991). "Albanian Literature in Greek Script: the Eighteenth and Early Nineteenth-Century Orthodox Tradition in Albanian Writing". Byzantine and Modern Greek Studies 15 (20). Archived from [A1991AlbLitGreek.pdf the original] on 2020-04-28. https://web.archive.org/web/20200428032127/http://www.elsie.de/pdf/articles/A1991AlbLitGreek.pdf. Retrieved 2015-05-10.
- Hinge, George (2001). Die Sprache Alkmans: Textgeschichte und Sprachgeschichte. University of Aarhus.
- (1998) Grammatiki tis ellinikis glossas. Pataki.
- Horrocks, Geoffrey (2006). Ellinika: istoria tis glossas kai ton omiliton tis. Athens: Estia. [Greek translation of Greek: a history of the language and its speakers, London 1997]
- Johnston, A. W. (2003). The alphabet. Museum of Cycladic Art, 263–276.
- Kristophson, Jürgen (1974). "Das Lexicon Tetraglosson des Daniil Moschopolitis". Zeitschrift für Balkanologie 10: 4–128.
- (1940) A Greek-English Lexicon. Oxford: Clarendon.
- Macrakis, Stavros M (1996). “Character codes for Greek: Problems and modern solutions”, Greek letters: from tablets to pixels. Newcastle: Oak Knoll Press.
- (1938) L'Evangéliaire de Kulakia, un parler slave de Bas-Vardar. Librairie Droz. – selections from the Gospels in Macedonian.
- Miletich, L. (1920). "Dva bŭlgarski ru̐kopisa s grŭtsko pismo". Bŭlgarski starini 6.
- Murdoch, Brian (2004). “Gothic”, Early Germanic literature and culture. Woodbridge: Camden House, 149–170.
- Peyfuss, Max Demeter (1989). Die Druckerei von Moschopolis, 1731–1769: Buchdruck und Heiligenverehrung in Erzbistum Achrida. Böhlau Verlag.
- Sims-Williams, Nicholas (1997). "New Findings in Ancient Afghanistan – the Bactrian documents discovered from the Northern Hindu-Kush". Archived from the original on 2007-06-10. Retrieved 2015-05-10.
{{cite web}}
: Invalid|ref=harv
(help) - Swiggers, Pierre (1996). Transmission of the Phoenician Script to the West. University Press, 261–270.
- Stevenson, Jane (2007). “Translation and the spread of the Greek and Latin alphabets in Late Antiquity”, Harald Kittel et al. Translation: an international encyclopedia of translation studies. Berlin: de Gruyter, 1157–1159.
- Thompson, Edward M (1912). An introduction to Greek and Latin palaeography. Oxford: Clarendon.
- Woodard, Roger D. (2008). “Attic Greek”, The ancient languages of Europe. Cambridge: University Press, 14–49.
Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]- Unicode (English)
Loharano
[hanova | hanova ny fango]- ↑ 1,0 et 1,1 F. Coulmas, The Blackwell Encyclopedia of Writing Systems, éd. Blackwell Publishers Ltd., Oxford, 1996.
- ↑ Halkias, Georgios T., "When the Greeks Converted the Buddha: Asymmetrical Transfers of Knowledge in Indo-Greek Cultures", Religions and Trade, 2014 (vakio an-tranonkala [tahiry])
- ↑ R. Elsie, « Albanian Literature in Greek Script: the Eighteenth and Early Nineteenth-Century Orthodox Tradition in Albanian Writing », dans Byzantine and Modern Greek Studies, vol. 15, n° 20, 1991.