Aller au contenu

Tetrarkia

Avy amin'i Wikipedia
Tsy tohanana intsony ny kinova azo atao pirinty ary mety misy lesoka amin'ny famoronana. Azafady mba havaozy ny famantarana ny mpitety tranonkala ary ampiasao ny asan'ny fanontana tsipalotra.

Ny Tetrarkia na Tetrarsia dia rafi-pitantanan' ny Empira Rômana naorin' i Diôkletiano tamin' ny taona 285, tamin' ny faran' ny taonjato faha-3, mba hiatrehana ny fanafihan' ny Barbariana. Izany dia ahitana ny fizarana ny fitarihana ny empira, eo amin' ny lafiny iray ny emperora roa - ny Aogosito -, amin' ny lafiny iray hafa ny lietnà roa (voatondro ho mpandimby ny Aogositra) - ny Kaisara.

Ny teny hoe "TetrarKkia" na "Tetrarsia" dia avy amin' ny teny grika hoe τετραρχία / tetrarkhía izay midika hoe "fitondran' ny efatra", amin' ny fanovonana ny teny hoe τέσσαρες / tessares ("efatra") amin' ny anarana hoe ἀρχία / arkhía ("fitondrana", "governemanta").

Tsy tokony hafangaro ny tetrarkia tao amin’ ny Empira Rômana sy ny an’ i Jodia, resahin’ ny Filazantsaran' i Lioka, izay manondro anaram-boninahitra vokatry ny fizarana efatra ny fanjakan’ i Herôda, tamin' ny taona 4 taor. J.K.