Aller au contenu

Tenim-pinoana

Avy amin'i Wikipedia
Tsy tohanana intsony ny kinova azo atao pirinty ary mety misy lesoka amin'ny famoronana. Azafady mba havaozy ny famantarana ny mpitety tranonkala ary ampiasao ny asan'ny fanontana tsipalotra.

Ny tenim-pinoana na teny finoana na dôgma (soratana koa hoe dogma) dia petra-kevitra tsy azo iverenana hamboarina indray momba ny foto-pampianaram-pinoana izay ambara fa fahamarinana tsy azo ovana momba ny finoana.

Ao amin'ny fivavahana kristiana, ny tenim-pinoana dia mety ho vokatry ny fanambaràn' Andriamanitra ao amin'ny Soratra Masina na avy amin'ny lovam-pampianarana (na lovantsofina) sady ambaranan'ny fahefam-piangonana tsy azo lavina. Amin'ny ankapobeny dia tamin'ireo fifandirana momba ny fampianaram-pinoana no nandraiketana ny ankamaroan'ny tenim-pinoana ka nenti-nanorina ny atao hoe "fampianarana marina" (na "ôrtôdôksia") sady nanoherana ireo atao hoe "fampianaran-diso" (na "herezia").

Jereo koa: