Aller au contenu

Ririnina

Avy amin'i Wikipedia
Tsy tohanana intsony ny kinova azo atao pirinty ary mety misy lesoka amin'ny famoronana. Azafady mba havaozy ny famantarana ny mpitety tranonkala ary ampiasao ny asan'ny fanontana tsipalotra.

Ny ririnina no fizaran-taona manaraka ny fararano, izay vanim-potoana mangatsiaka; fohy ny andro fa ny alina no lava. Rako-drahona matetika ny andro ririnina ka tsy ampy ny hazavana sy ny hafanana azo avy amin' ny masoandro. Ianjadian' ny fanala ny hazo ka mihintsan-dravina. Milevina ireo biby mpilevina ririnina.

Amin' ireo faritra misy fizaran-taona efatra dia ny fararano no eo alohany fa ny lohataona no manarakaraka azy. Izy no fizaran-taona farany.

Raha zaraina efatra mitovy ny taona iray dia izao: ao amin' ny ila-bolantany avaratra dia mahafaoka ny volana Desambra sy Janoary ary Febroary ny ririnina fa ao amin' ny ila-bolantany atsimo kosa dia manambatra ny volana Jona sy Jolay ary Aogositra io fizaran-taona io.

Jereo koa