Aller au contenu

Repoblika Entim-Bahoakan' i Donetsk

Avy amin'i Wikipedia
Tsy tohanana intsony ny kinova azo atao pirinty ary mety misy lesoka amin'ny famoronana. Azafady mba havaozy ny famantarana ny mpitety tranonkala ary ampiasao ny asan'ny fanontana tsipalotra.
Sainan' ny Repoblika Entim-Bahoakan' i Donetsk

Ny Repoblika Entim-Bahoakan' i Donetsk dia fanjakana mpisara-bazana avy amin' i Okraina, naorin' i Rosia tamin' ny taona 2014 tao amin' ny Ôblastan' i Donetsk izay misy azy, ary niova ho repoblika ao anatin' ny Federasiônan' i Rosia tamin' ny taona 2022 taorian' ny fitsapan-kevi-bahoaka momba ny fanakambanana tao Donetsk. Ny tanànan' i Donetsk no ataony renivohiny. Amin' ny teny rosiana izy dia ata hoe Донецкая Народная Республика / Donetskaia Narodnaia Respublika).

Nipoaka ny fikomiana mpomba an' i Rosia tao amin' ny faritr' i Donbass ho setrin' ny revôlisiôna okrainiana. Tamin' ny Avrily 2014 dia nogiazan' ny mpisintaka mitam-piadiana mpomba an' i Rosia ny tranoben' ny governemanta ary nanambaran' izy ireo ny Repoblika Entim-Bahoakan' i Donetsk sy ny Repoblika Entim-Bahoakan' i Luhansk ho fanjakana mahaleo tena, izay tsy nahazo fankatoavana iraisam-pirenena hatramin' ny 2022. I Okraina sy ny ampahany be amin' ny fianakaviambe iraisam-pirenena (ny Tandrefana) dia mihevitra azy ireo ho fanjakana saribakoly sy fikambanana mpampihorohoro. Ireo zava-nitranga ireo dia niteraka ny Ady tao Donbas, izay ampahany amin' ny Ady Rosiana-Okrainiana izay nanakambanana an' i Krimea ihany koa ho an' i Rosia. Nibodo ny antsasaky ny faritra roa ny milisy mpisintaka ary niady tamin' ny tafika okrainiana nandritra ny valo taona nanaraka.

Ny toerana misy ny Repoblika Entim-Bahoakan' i Donetsk

Tamin' ny 21 Febroary 2022 dia nanambara i Vladimir Putin fa neken' ny Rosiana ny fahaleovantenan' ny repoblika roa ao Donbass, anisan' izany ny an' i Donetsk. Io fanekena io no lohahevitry ny fanamelohana ao amin' ny Filankevi-Piarovan' ny Firenena Mikambana ary mialoha telo andro ny fananiham-bohitra nataon' i Rosia an' i Okraina tamin' ny taona 2022 nodidian' ny filoha rosiana.

Tamin' ny 30 Septambra 2022 dia nanambara ny fampidirana an' ilay repoblika ao amin' ny taniny i Rosia, miaraka amin' ny fizaràn-tany voabodo maro hafa.