Lovam-pampianarana
Ny lovam-pampianarana, ao amin' ny fivavahana kristiana, dia ny fanambaràna mitohy ny Vaovao Mahafalin' i Kristy amin' ny Fiangonany amin' ny alalan' ny Fanahy Masina. Ny Katôlika sy Ôrtôdôksa dia manao ny lovam-pampianarana ho lova avy amin' ireo Apôstôly, amin' ny alalan' ny fifandimbiasana apôstôlika. Ny kônsily tamin' ny taona 869 dia nandinihana ny amin' ny lovam-pampianarana ka nanao izany ho fitsipiky ny finoana. Mitsipaka izany loharanon-tenim-pinoana izany ny Prôtestanta sady tsy mahalala afa-tsy ny Soratra Masina irery (Sola Scrptura) ho hany manam-pahefana, sy ny "tahirim-pinoana" nampitaina indray mandeha tamin' ireo Apôstôly (araka ny fahazoany ny voasoratra ao amin' ny Joda 1.3).
Ny andian-teny hoe "lovam-pampianarana" dia fandikana ny teny latina hoe traditio, izay manondro izay ampitaina, na am-bava na an-tsoratra, sy ny fanatanterahana izany fampitana izany.
Araka ny Katesizin' ny Fiangonana Katôlika
Izao ny voalaza ao amin' ny Katesizin' ny Fiangonana Katôlika ny amin' ny Lovam-pampianarana izay nanomboka tamin' ny toritenin' ny Apôstôly ka nitohy teo amin' ny fifandimbiasana maha-apôstôly.
76 Ny fampitana ny Evanjely, araka ny baikon' ny Tompo, dia natao tamin' ny fomba anankiroa:
Am-bava: "avy amin' ireo apôstôly izay nampita tamin' ny fitoriana am-bava, tamin' ny oha-piainana mbamin' ny fandaminana naoriny; izao no nampitain' izy ireo tamin' izany: na izay nianaran' izy ireo tamin' ny teny naloakan' ny vavan' i Kristy ka niainan' izy ireo niaraka Taminy, sy tamin' ny nahitan' izy ireo Azy nanao izany; na izay noraisin' izy ireo avy tamin' ny torohevitry ny Fanahy Masina";
An-tsoratra: "avy amin' ireo apôstôly ireo sy ireo lehilahy nanodidina azy, izay nandrakitra an-tsoratra ny hafa-pamonjena, mbola teo ambany fitsilovan' ny Fanahy Masina ihany koa".
77 "Mba ho voatahiry lalandava tsy misy nanombinana sy mba ho velona ao amin' ny Fiangonana ny Evanjely, dia namela ny Eveka ho dimbin' izy ireo ny apôstôly, ka ireo no "namindrany ny adidim-pampianarana nosahaniny" ".
Noho izany, "ny toritenin' ny apôstôly izay voavelabelatra tamin' ny fomba manokana ao amin' ireo boky avy amin' ny fitsilovan' Andriamanitra, dia tsy maintsy tahirizina amin' ny alalan' ny fifandimbiasana tsy tapaka mandrapahatapitry ny fotoana rehetra".
78 Izany fampitam-pampianarana velona, tanteraka ao amin' ny Fanahy Masina izany, no antsoina hoe Lovam-pampianarana, noho izy miavaka amin' ny Soratra Masina, na dia mifamatotra mafy aminy aza. Amin' ny alalany "ny Fiangonana no mampaharitra tsy tapaka ny fitambaram-pampianarany, ny fiainany ary ny fanompoany ara-pivavahana, sy mampita amin' ny taranaka mifandimby izay rehetra maha-izy azy, izay rehetra inoany". "Manamarina ny fisiana manan-kerin' io Lovam-pampianarana io ny fampianaran' ny Aba masina, ka ny harena avy amin' izany dia miampita eo amin' ny fanaovana ny asa mbamin' ny fiainan' ny Fiangonana izay mino sy mivavaka"[1].
Jereo koa
Loharano sy fanamarihana
- ↑ Katesizin' ny Fiangonana Katôlika, pp. 27-28