Aller au contenu

Jodaisma mesianika

Avy amin'i Wikipedia
Sinagoga mesianika Baruch HaShem ao Dallas any Texas.

Ny jodaisma mesianika dia fihetsiketsehana ara-pivavahana izay manakambana singa avy amin' ny kristianisma, toy ny finoana fa Mesia i Jesoa, sy singa avy amin' ny jodaisma ary ny fomba jiosy. Tamin' ireo taona 1960 sy 1970 no nisehoan' ny endriky ny jodaisma mesianika ahafantarana azy ankehitriny. Nipoitra avy amin' ny fihetsiketsehana misionera kristiana sy ny evanjelisma izy ka manakambana teôlôjia kristiana amin' ny ampahan' ny fanaon' ny fivavahana jiosy. Tao amin' ny anglikanisma tao Angletera tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-19 no niandohan' io fihetsiketsehana io. Mitonon-tena ho Jiosy manaiky ny maha Mesia an' i Ieshoa (izany hoe Jesoa) ny mpanaraka azy.

Iray amin'ireo evan'ny jodaisma mesianika

Taorian' ny fandrosoan' ny ziônisma (na siônisma) tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-19 sy ny fisehoan' ny siônisma kristiana sy ny Ady Lehibe Faharoa ary ny fahaterahan' ny Fanjakan' i Israely ankehitriny dia nanomboka niseho amin' ny endrika ahafantarana azy ankehitriny ilay fihetsiketsehana tao Etazonia tamin' ireo taona 1960. Ny fandresen' i Israely tamin' ny taona 1967 sy ny fampiraisana an' i Jerosalema dia noheverin' ny Jiosy mesianika ho famantarana ny fotoanandro izay manana ny maha izy azy manokana. Izany zava-nitranga izany dia noheverin' izy ireo fa mialoha ny fiavian' i Jesoa fanindroany sy ny fanorenana ny fanjakany arivo taona ao Siôna (na Ziôna), rehefa vita ny ady faran' i Gôga sy Magôga.

Ny Jiosy mesianika dia tsy tokony hafangaro amin' ny Jiosy miova fionoana ho amin' ny kristianisma, satria aorian' ny fiovany finoana dia mpikambana feno ao amin' ny fiangonana nohatoniny izy ireo. Na dia misy Jiosy mesianika izay Jiosy araka ny Halakà (izany hoe Jiosy araka ny mason-tsivan' ny fivavahana jiosy fa tsy kristiana), ny jodaisma mesianika dia tsy eken' ny Jiosy ho firehan' ny fivavahana jiosy. Ny mpahay tantaran' ny fivavahana dia manasokajy ny jodaisma mesianika ao amin' ny kristianisma.

Jereo koa