Filazantsaran' i Jodasy

Ny Filazantsaran' i Jodasy na Evanjelin' i Jodasy dia asasoratra natao tokony ho tamin' ny taonjato faharoa, izay tsy hita ao amin' ny Baiboly ka anisan' ireo atao hoe filazantsara apôkrifa. Ny vontoatiny dia resaka nifanaovan' i Jesoa na Jesosy sy i Jodasy Iskariôta. Satria ahitana taratra ny teôlôjia tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-2 izy io dia heverina fa fikambanan' olona efa kristiana nefa nanana firehana gnôstika tamin' ny taonjato faha-2 (talohan' ny 180) no nipoirany[1].

Ny fanorohan' i Jodasy, mpanao sary tsy fantatra anarana, taonjato faha-12

Ny hany sisa amin' izany dia ny lahatsoratra amin' ny teny kôpta izay nampiasana karbônina 14 ny famantarana ny datiny ka hita fa tamin' ny taona 280, anampiana na anesorana 60 taona (izany hoe teo anelanelan' ny taona 220 sy 340). Misy mihevitra fa avy amin' ny sora-tanana taloha tamin' ny teny grika ilay lahatsoratra[2]. Nisy fandikan-teny anglisy navoaka voalohany tamin' ny fiandohan' ny taona 2006 nataon' ny National Geographic Society. Tamin' ny taona 1978 no nahitana io asasoratra io amin' ny teny kôpta teny an-tsena ka ny pejy faha-33 hatramin' ny faha-58 (Codex Tchacos) ao amin' ilay boky ihany, izay tehirizina ao amin' ny Fondation Martin Bodmer any Geneva, no sisa tavela amin' izao noho ny fahasimbany,.

Manamarina ny famadihana nataon' i Jodasy an' i Jesoa ny mpanoratra an' ilay filazantsara satria nahazo hafatra avy amin' i Jesoa hono i Jodasy hoe: "Ianao no hanao sorona ny olombelona izay itafiako". Araka io filazantsara io dia i Jodasy no iray tamin' ny Apôstôly roa ambin' ny folo nahatakatra ny zavatra tian' i Jesoa hatao teto ambonin' ny tany araka ny fikendren' Andriamanitra, dia ny fisamborana sy ny famonoana an' i Jesoa.

Lanjany

hanova

Araka ny voalazan' ny Science Magazine, ny Filazantsaran' i Jodasy - mifanohitra amin' ny filazantsara kanônika izay milaza an' i Jodasy ho mpamadika nanolotra an' i Jesoa tamin' ny manam-pahefana mba hofantsihana amin' ny hazo fijaliana ho takalo vola - dia maneho ny fihetsik' i Jodasy izay niseho ho nankato ny toromarika nomen' i Jesoa azy. Manamafy ilay filazantsara fa ny mpianatra hafa dia tsy nahalala ny filazantsara marina izay tsy nampianarin' i Jesoa afa-tsy tamin' i Jodasy, ilay hany anisan' (na natokana ivelan') ny "taranaka masina" eo anivon' ny mpianatra[3].

Na izany aza, ny Dr. April Deconick dia nanohitra ny fiheveran' ny National Geographic ny Filazantsaran' i Jodasy, izay nilaza fa io lahatsoratra io dia nosoratan' ny antokon' ny Setiana ho fanesoana momba ny "demony" Jodasy[4].

Tantara

hanova

Ny Filazantsaran' i Jodasy, izay asasoratra apôkrifa, dia tsy isalasalana fa noforonina tamin' ny tapany faharoa amin' ny taonjato faha-2: ny ady ataon' ny mpanoratra, izay mikendry adihevitra fanoherana ny kilasin' ny mpitondra fivavahana izay andalam-piforonana tao amin' ny fiangonana kristiana, raha ny marina, dia tsy azo eritreretina alohan' ny taona 140 ny fisiany[5]. Voamarim-pisiana izy io amin' ny dikan-teny kôpta tamin' ny taonjato faha-3 izay mety ho fandikana lahatsoratra grika tranainy kokoa. I Ireneo, evekan' i Logdanoma (i Lyon ankehitriny ao Frantsa), dia manonona boky atao hoe "Filazantsaran' i Jodasy" tamin' ny faran' ny taonjato faha-2, ao amin' ny bokiny mitondra ny lohateny hoe Manohitra ny herezia[6]: ny Filazantsaran' i Jodasy, dia lazaina fa nosoratan' ny sekta gnôstikan' ny Kainita.

Manamarina fisian' ny Filazantsaran' i Jodasy ny sora-tanana amin' ny taratasy zozoro misy 26 pejy nosoratana tamin' ny teny sahidika (fitenim-paritra kôpta), tamin' ny taonjato faha-3 na faha-4 (teo anelanelan' ny taona 220 sy 340). Izy io dia ampahany amin' ny kôdeksa misy pejy 60 eo ho eo (eo anelanelan' ny 62 sy 66 arakaraka ny loharanom-baovao) antsoina hoe "Codex Tchacos", izay misy soratra apôkrifa roa hafa koa - ny Epistilin' i Petera ho an' i Filipo sy ny Apôkalipsy voalohan' i Jakôba - izay hita koa ao amin' ny sora-tanana tao Nag Hammadi.

Filazana isan-karazany no nomena tamin' ny fahitana an' io kôdeksa io: ny iray izay mety ho marimarina dia mitatitra fa nisy tantsaha ejipsianina iray nangady azy io tamin' ny taona 1978, nandritra ny fikarohana an-tsokosoko, tao amin' ny fasana iray any Djebel Qarara, 60 km andrefan'. ny tanànan' i Al-Minya any amin' ny fasiky ny tany efitr' i Ejipta. Toa tao anaty boaty vato iray voatahiry tao anaty sarkôfazy izy io. Ilay tantsaha, izay tsy nahalala ny sandany sy ny lanjany, dia voalaza fa nivarotra izany tamin' ny mpitarika mpitsidika iray teo an-toerana izay nivarotra izany tamin' ny taona 1979 tamin' i Hanna, mpivarotra zavatra tranainy avy ao Kahira[7].

Nisy nangalatra ilay kôdeksa, avy eo dia hitan' ity farany tamin' ny fomba mahagaga, izay nitondra azy amin' ny fomba tsy ara-dalàna any ivelan' i Ejipta mba hanombanan' ny manam-pahaizana maro azy io any Geneva tamin' ny 15 Mey 1983, anisan' izany i Stephen Emmel (mpianatry ny profesora James M. Robinson[8]) izay nahafantatra ny Epistilin' i Petera ho an' i Filipo. Noho ny hasarobidiny dia nandefa izany any Etazonia i Hanna ka tao no nitadiavany mpividy. Napetrany ao anaty vata fitehirizana ao amin' ny Citibank any Long Island, akaikin' i New York ilay boky[9].

Nijanona tao amin' ny vata fitehirizan' ny Citibank nandritra ny enina ambin' ny folo taona mahery ilay sora-tanana, ka nahatonga ny fahasimbany izay. Nandritra izany fotoana izany dia natolotra hamidy izy io, saingy tsy nisy tranomboky niomana hividy sora-tanana izay mampiahiahy ny fiaviany. Nitaky 3 tapitrisa dôlara mahery i Hanna nefa tsy nahitana mpividy ilay sora-tanana raha tsy tamin' ny 3 Avrily 2000 tamin' ny vidiny 300 000 dôlara avy amin' i Frieda Tchacos-Nussberger, mpivarotra zavatra tranainy any Soisa. Nodinihin' ny mpikaroka tao amin' ny Oniversiten' i Yale ilay izy, ary nahariharin' izy ireo taminy fa mirakitra ny Filazantsaran' i Jodasy ilay kôdeksa efa izay efa tena sarobidy.

Namidiny tamin' ny mpanangona boky atao hoe Bruce Ferrini tamin' ny vidiny 1,5 tapitrisa dôlara izany, rehefa tsy vita ny fifampivarotana tamin' ny Oniversite Yale[10]. Satria tsy nanao fifanarahana tamin' ny mpanjifa indostrialy liana hahazoana io vola io i Ferrini, i Mario J. Roberty, mpisolovavan' i Tchacos no nahavita nanafoana ny fivarotana[11] ary namorona ny Maecenas Foundation tamin' ny taona 2001, izay tompon' andraikitra amin' ny fanamarinana faniandroany (anisan' izany ny fanombanana ny daty amin' ny alalan' ny karbônina-14), ny famerenana amin' ny laoniny, ny fandikan-teny ary ny fanontana ilay taratasy zozoro (tarihin' ny arkeôlôga sy filôlôga Rodolphe Kasser), miaraka amin' ny fiaraha-miasa ara-bola amin' ny National Geographic Society[12].

Ny Filazantsaran' i Jodasy dia navoakan' ny National Geographic Society tamin' ny taona 2006 ary naranty tany Washington. Nokasaina hatolotra ny fitondram-panjakana ejipsiana ilay dika fototra ary hapetraka ao amin' ny Tranombakoka Kôpta any Kahira.

Ilay kôdeksa izay mbola eo am-pamerenana amin' ny laoniny sy am-panambarana anefa (nisy nangalatra ny sombiny maro talohan' ny nividianana azy) dia any Geneva amin' izao fotoana izao ao amin' ny Fondation Martin Bodmer. Araka ny voalazan' i Rodolphe Kasser, ilay kôdeksa tany am-boalohany dia nisy pejy 31 misy lafiny roa; nefa, rehefa niseho teny an-tsena tamin' ny taona 1999 dia pejy 13 monja no tavela[7].

Ny fampielezana voalohany ny lahatsoratra feno, tamin' ny Paska 2006, dia niaraka amin' ny asasoratra ho an' ny besinimaro, izay ahitana dikan-teny amin' ny fiteny ankehitriny ary mitantara ny fahitana ilay asasoratra[13].

Jereo koa

hanova

Filazantsara apôkrifa (ohatra):

Loharano sy fanamarihana

hanova
  1. Scopello, Madeleine, ed. (2006). The Gospel of Judas in Context. Hotei Publishing, IDC Publishers, Martinus Nijhoff Publishers and VSP. pp. 63–66
  2. Scopello, Madeleine, ed. (2006). "Preface". The Gospel of Judas in Context. BRILL.
  3. "Lost Gospel of Judas Revealed". Science. 2006-04-06. Arsiva tamin' ny Febroary 17, 2021.
  4. De Conick, April D. (2009). The Thirteenth Apostle: What the Gospel of Judas really says (Rev ed.). London: Continuum. ISBN 978-1-84706-568-1. OCLC 276226174.
  5. Jean-Daniel Kaestli, Frédéric Amsler, Daniel Marguerat, Le Mystère apocryphe : Introduction à une littérature méconnue, Labor et Fides, 2007, p. 68.
  6. Irénée de Lyon, Contre les hérésies, Livre 1, chapitre 31, alinéa 1.
  7. 7,0 et 7,1 Pierre Lassave, « Code, codex et autres affaires », Archives de sciences sociales des religions, no 144,‎ 2008, p. 119.
  8. I Robinson, izay tsy afaka nanolotra afa-tsy 200 000 dôlara mba hahazoana ilay kôdeksa, dia milazalaza ao amin' ny bokiny mitondra ny lohateny hoe Les secrets de l’Évangile de Judas ("Ny Tsiambaratelon' ny Filazantsaran' i Jodasy") ireo zavatra tsy tena mazava momba ny nahitana indray ilay sora-tanana teo amin' ny tsena tsy nahazoana alalana tamin' ny taona 1984 sy ny fahazoana misy hosoka an' io boky io.
  9. Herbert Krosney, L'Évangile perdu : La véritable histoire de l'Évangile de Judas, Flammarion, 2006, p. 26-28.
  10. James M. Robinson, Les Secrets de Judas. Histoire de l'apôtre incompris et de son évangile, Michel Lafon, 2006, p. 171-178
  11. Naverin' i Ferrini ilay taratasy zozoro nefa notehiriziny ny sombintsombiny. Loharano : Marvin W. Meyer, The Gospel of Judas, Wipf and Stock Publisher, 2011, p. 16.
  12. Paul Foster, The Apocryphal Gospels : A Very Short Introduction, Oxford University Press, 2009, p. 120-121
  13. Rodolphe Kasser, Marvin Meyer et Gregor Wurst, L'Évangile de Judas, Flammarion, 2006, 223 p..