Elohim: Fahasamihafan'ny versiona
Contenu supprimé Contenu ajouté
Nanitatra |
Nanitatra |
||
Andalana faha-13:
=== Ampiasaina miaraka amin' ny matoanteny milaza tokana ===
Azo anondroana andriamanitra tokana koa ny teny hoe ''elohim'' ka tsy ny andriamanitra tokan' i Israely ihany fa ny andriamanitra hafa koa toy ny andriamanitra [[Kemôsy]] izay elôhiman' i [[Moaba (fanjakana)|Moaba]] sy [[Astarte]] elohiman' ny Sidôniana ([[Bokin' ny Mpitsara|Mpitsara]] 11.24; [[Boky faharoan' ny Mpanjaka|2Mpanjaka]] 1.2; [[Boky voalohan' ny Mpanjaka|1Mpanja]]. 11.5; 1Mpanj. 11.33). Ampiasaina koa io teny io hilazana ny zava-mananaina ara-panahy na andriamanitra kely toy ny matoatoa ([[Boky voalohan' i Samoela|1Samoela]] 28.13; [[Bokin' i Zakaria|Zakaria]] 12.8; [[Bokin' ny Genesisy|Gen]]. 30.8).
=== Anjely sy mpitsara ===
Amin’ ny toe-javatra vitsivitsy ao amin’ ny Septoajinta (LXX), dia nadika hoe ''angeloi'' (“anjely”) na hoe ''kriterion tou Theou'' (“ny fitsaran’Andriamanitra”) ny hoe ''elohim'' hebreo misy matoanteny milaza maro, na misy teny manodidina mitaky filaza maro. Ireo andinin-teny ireo avy eo dia niditra voalohany tao amin’ ny [[Volgata]] latina ka nadika hoe “anjely” sy “mpitsara”.
Nametra-panontaniana i Gesenius sy Ernst Wilhelm Hengstenberg ny amin’ ny maha-azo itokiana ny fandikan-tenin’ ny Septoajinta momba izany. Notanisain' i Gesenius ny dikany nefa tsy niombon-kevitra amin' izany. Nilaza i Hengstenberg fa tsy mampiasa ''elohim'' mihitsy ny Baiboly hebreo mba hilazana “anjely”, fa nolavin’ ny mpandika teny ao amin’ ny Septoaginta ny fanondroana ny “andriamanitra” ao amin’ ireo andininy nanovany ny hoe “anjely”.
Manao tonon-tsiahy ny Salamo 8:4–6 ao amin’ ny Hebreo 2:6b-8a ny Testamenta Vaovao grika, izay ahitana hoe ἀγγέλους ("anjely") ao amin’ ny and. 7, ao amin’ ny Salamo 8:5 (8:6 ao amin' ny Septoaginta), izay misy ny hoe ἀγγέλους koa ao amin' ny dikan-tenin' ny Septoajinta.
=== Ny Filan-kevitra tao an-danitra ===
<sup>1</sup>Fihirana nataon' i Asafa.
Eo amin' ny fiangonan' ny Tsitoha. Andriamanitra;
namoaka ny teniny eo afovoan' ireo andriamanitra izy:
<sup>2</sup>Mandra-pahoviana no hanaovanareo fitsarana tsy marina? - Selà .
<sup>3</sup>Omeo ny rariny ny mahantra sy ny kamboty,
omeo ny hitsiny ny ory sy ny malahelo.
<sup>4</sup>Vonjeo ny fadiranovana sy ny tsy manana,
afaho amin' ny tànan' ny ratsy fanahy izy.
<sup>5</sup>Tsy manam-pahaizana na hazavan-tsaina ireny,
fa mandeha amin' ny maizina;
mihorohoro ny fanambanin' ny tany rehetra.
<sup>6</sup>Hoy aho: andriamanitra hianareo,
zanaky ny Avo indrindra avokoa hianareo.
<sup>7</sup>Kanefa ho faty tahaka ny olona ihany hianareo;
ho lavo tahaka izay andriandahy na iza na iza.
<sup>8</sup>Mitsangàna, ry Andriamanitra ô, tsarao ny tany,
fa anao ny firenena rehetra. (Salamo 82.1-8, ''Ny Baiboly Masina'')
Miresaka toy izao i Marti Steussy, ao amin’ny ''Chalice Introduction to the Old Testament'': “Ny andininy voalohany amin’ny Salamo faha-82: "Elohim dia eo amin' ny fiangonan' ny Elohim ; ary eo amin' ireo elohim no itsarany." Eto dia mifandray amin' ny matoanteny mikaza tokana ny ''Elohim'' ary manondro an' Andriamanitra mazava tsara, fa eo amin' ny andininy faha-6 amin' ny Salamo kosa, dia hoy Andriamanitra amin' ireo mpikambana hafa ao amin' ny filan-kevitra: "Ianareo dia elohim". Eto ny hoe ''elohim'' dia tsy maintsy midika hoe andriamanitra maro".
I Mark Smith, izay niresaka an’io Salamo io ihany, dia nilaza toy izao ao amin’ny ''God in Translation'': “Ity salamo ity dia mampiseho ny fisehoan’ ireo andriamanitra nivory tao amin’ny filan-kevitr’Andriamanitra ... Elohim dia mijoro ao amin’ny filankevitry ny El. Eo amin' ireo elohim dia manambara fitsarana izy:..."
Ao amin' ny ''Hulsean Lectures for''..., HM Stephenson dia niresaka momba ny tohan-kevitr' i [[Jesoa]] ao amin' ny Joany 10:34–36 momba ny Salamo faha-82. (Ho valin' ny fiampangana ny [[fitenenan-dratsy an' Andriamanitra]] dia namaly i Jesoa:) "''Jesosy namaly azy hoe: Tsy voasoratra ao amin' ny lalànareo va hoe: Hoy Izaho: Andriamanitra ianareo? Raha ireny izay nanaovana izany tenin' Andriamanitra izany no natao hoe andriamanitra (ary ny Soratra Masina tsy azo foanana), moa Izay nohasinin' ny Ray ka nirahiny ho amin' izao tontolo izao va no ataonareo hoe: Miteny ratsy Hianao, satria hoy Izaho: Zanak' Andriamanitra Aho?'' – “Ankehitriny inona no herin’ ity teny nindramina ity: ‘''Hoy aho: andriamanitra hianareo''.’ Avy ao amin’ny Salamo Asafa izany, izay manomboka amin' ny hoe: “''Elohim dia eo amin' ny fiangonan' ny Tsitoha; ary eo amin' ireo Elohim no itsarany''.”
== Ny olana apetraky ny endrika milaza maro ==
|